Ezekiela 4 - Malagasy Bible Revision Version

Ezekiela sy ny fahiranon’i Jerosalema

1Ary ianao, ry zanak’olona*, makà biriky tanimanga ary apetraho eo anoloanao, dia manaova sarin-tanàna eo aminy, sarin’i Jerosalema.

2Dia ataovy fahirano izany ka manangàna manda fanafihana hamelezana azy; manandrata tovon-tany eo aminy, asio toby hamelezana azy ary anangano lohondry fandravana manodidina azy.

3Ary makà lapoaly vy ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna; banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ny taranak’Israely izany.

4Ary ianao, mandria amin’ny ilanao havia ka ataovy eo aminy ny fahotan’ny taranak’Israely; koa araka ny isan’ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.

5Fa Izaho manao fetrandro ho anao mitovy amin’ny taonan’ny helony, dia sivifolo sy telonjato andro izay hitondranao ny heloky ny taranak’Israely.

6Rehefa tapitrao ireo dia mandria amin’ny ilanao havanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’i Joda efapolo andro ianao; ny andro iray no ataoko solon’ny taona iray ho anao.

7Dia banjino tsara io fahirano an’i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.

8Ary indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron’ny fahiranonao.

9Ary makà varimbazaha, tsaramaso, voanemba, tsiasisa, ampemby sy spelta ary ataovy anaty vilia iray ireo ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ny andro izay handrianao amin’ny ilanao, dia sivifolo sy telonjato andro, no hihinananao azy.

10Tsinjaraina no hihinananao ny haninao, dia roapolo sekela isanandro; amin’ny fotoana voafetra isanandro no hihinananao azy.

11Rano afàtra no hosotroinao, ampahenin’ny hina*; amin’ny fotoana voafetra isanandro koa no hisotroanao azy.

12Hatao toy ny mofo varimbazaha no ho fihinanao azy, ary dikin’olona no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.

13Ary hoy NY TOMPO: Toy izany no hihinanan’ny Zanak’Israely ny mofony voaloto any amin’ny firenena izay handroahako azy.

14Dia hoy aho: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Indro, tsy mbola voaloto aho; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay hena ratsy.

15Dia hoy Izy tamiko: Indro ary, tain’omby no omeko anao hisolo ny dikin’olona ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.

16Hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo tohan’aina ka antsinjarany, amin’ny tebiteby, no hihinanany mofo, ary rano afàtra no hosotroiny amin’ny tahotra.

17Koa tsy hahita mofo na rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help