Zakaria 2 - Malagasy Bible Revision Version

Fahitana faharoa: Ny tandroka sy ny mpanefy

1Ary natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, tandroka* efatra.

2Ary hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka an’i Joda sy an’i Israely ary an’i Jerosalema.

3Ary nanehoan’NY TOMPO mpanefy efatra aho.

4Dia hoy aho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy niteny hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda ka tsy nisy olona nanandratra ny lohany; fa ireto kosa dia avy hampatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ny tanin’i Joda hanely azy.

Fahitana fahatelo: Ny kofehy fandrefesana

5Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indro, lehilahy iray mitondra kofehy fandrefesana eny an-tanany.

6Dia hoy aho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’i Jerosalema aho mba hizaha ny sakany sy ny lavany.

7Ary indro, nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray hafa nandroso hitsena azy

8ka niteny taminy hoe: Mihazakazaha ka milazà amin’io zatovo io hoe:

Hijanona ho tanàna tsy mimanda i Jerosalema

noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.

9Fa Izaho no ho manda afo manodidina azy,

hoy NY TOMPO,

ary ho voninahitra ao afovoany.

Miantso ny babo hiverina NY TOMPO

10E! E!

Mandosira avy any amin’ny tany avaratra,

hoy NY TOMPO;

ianareo izay naeliko tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra,

hoy NY TOMPO.

11E! Vonjeo ny tenanao,

ry Ziona*, izay monina any Babilona zanakavavy!

12Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

izay naniraka ahy hampiseho voninahitra

tany amin’ireo firenena izay namabo anareo:

Izay mikasika anareo

dia mikasika ny anakandriamasoko.

13Fa indro, hatsotrako eo ambonin’ireo firenena ny tanako

ka ho tonga babon’ireo nanompo azy izy;

dia ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy.

14Mihobia sy mifalia,

ry Ziona zanakavavy!

Fa indro, avy Aho

ka honina ao afovoanao,

hoy NY TOMPO.

15Firenena maro no hanaiky ho an’NY TOMPO amin’izany andro izany.

Ho oloko izy,

ary hitoetra ao afovoanao Aho;

dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao.

16Ary NY TOMPO hanana an’i Joda ho anjarany ao amin’ny tany masina

ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.

17Mangìna eo anatrehan’NY TOMPO, ry nofo rehetra!

Fa mifoha avy ao amin’ny fitoerany masina Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help