Ezekiela 25 - Malagasy Bible Revision Version

Faminaniana ny amin’ny Amonita

1Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Ry zanak’olona*, manandrifia ny Amonita ary maminania ny hamelezana azy

3ka lazao aminy hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nitenenanao hoe: Hia! Akory izay! Rehefa nolotoina ny fitoerako masina ka nopotehina ny tanin’ny Israely, sady lasan-ko babo ny taranak’i Joda,

4dia indro, hatolotro ho fananan’ny zanaky ny Atsinanana kosa ianao ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.

5Raba dia hataoko tany fitoeran’ny rameva, ary ny taranak’i Amona ho tany fandrian’ny ondry aman’osy; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.

6Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin’ny tongotrao ary ny nifalian’ny fonao tamin’ny fanaovana tsinontsinona ny tanin’ny Israely

7dia indro, hatsotrako aminao ny tanako ka hatolotro ho babon’ny Jentilisa* ianao; hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ny tany; eny, haringako ianao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.

Faminaniana ny amin’ny Moabita

8Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

Noho ny nanaovan’i Moaba sy i Seìra hoe: Indro, ny taranak’i Joda izao dia efa tonga tahaka ny firenena rehetra

9dia indro, hotatahako kosa ny sisin’ny Moaba, hatrany amin’ny tanànany rehetra, ny tanànany izay ravaky ny tany, hatrany amin’ny sisintaniny, dia i Bety-Jesimota sy i Baala-Meona ary i Kiriataima.

10Hatolotro ho fananan’ny zanaky ny Atsinanana, tahaka ny taranak’i Amona koa izy, mba tsy hotsarovana any amin’ny firenena intsony ny taranak’i Amona.

11Ary hotanterahiko ny fitsarana an’i Moaba; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.

Faminaniana ny amin’ny Edomita

12Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ireo valifaty nataon’i Edoma tamin’ny taranak’i Joda ka nahameloka azy be tamin’izany valifaty izany,

13dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hatsotrako amin’i Edoma ny tanako ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon’ny sabatra hatrany Dedana.

14Ny tanan’ny Israely oloko no hoentiko mamaly an’i Edoma ka hamely azy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; dia ho fantany ny famaliako, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

Faminaniana ny amin’ny Filistina

15Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny valifaty nataon’ny Filistina, eny, noho izy namalifaty sy ny fanaovana tsinontsinona tamin’ny fony rehetra ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,

16dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hatsotrako amin’ny Filistina ny tanako ka haringako ny Keretita ary holevoniko izay sisa any amoron-dranomasina;

17Famaizana mirehitra no hoentiko manatanteraka famaliana lehibe aminy. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help