Nomery 28 - Malagasy Bible Revision Version

Lalàna samihafa momba ny fanatitra Momba ny fanatitra isanandro

1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy

2mba hanome didy ny Zanak’Israely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanolorana izany ho Ahy amin’ny fotoanany avy.

3Lazao aminy hoe: Izao no fanatitra levonina amin’ny afo, izay hatolotrao ho an’NY TOMPO: Zanak’ondry izay iray taona sady tsy misy kilema, roa isanandro, ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany,

4koa ny zanak’ondry iray dia hatolotrao vao maraina ary ny zanak’ondry iray dia hatolotrao amin’ny hariva;

5koba tsara toto ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo nofiazana ampahefatry ny hina* kosa no ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry.

6Ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

7Ary ny fanatitra aidina dia ampahefatry ny hina isan-janak’ondry; ao amin’ny fitoerana masina no handrarahanao ny divay ho an’NY TOMPO ho fanatitra aidina.

8Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva milenti-masoandro; fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina, tahaka ny atao amin’ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.

Momba ny andro Sabata

9Amin’ny andro Sabata kosa dia izao no hatolotrao: Zanak’ondry roa, izay iray taona avy sady tsy misy kilema, miampy koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ampombaina azy ireo ny fanatitra aidina.

10Fanatitra dorana manontolo ho amin’ny Sabata izany, ary ho isan-tSabata, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva dorana manontolo sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.

Momba ny voaloham-bolana

11Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO amin’ny voaloham-bolanareo: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

12miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny vantotra ombilahy; koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny ondrilahy;

13koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny zanak’ondry tsirairay; ho fanatitra dorana manontolo izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

14Ny fanatitra aidina ampombaina izany dia divay antsasaky ny hina*, ho amin’ny vantotra ombilahy iray, ampahatelon’ny hina, ho amin’ny ondrilahy iray ary ampahefatry ny hina, ho amin’ny zanak’ondry iray. Izany no fanatitra dorana manontolo isam-bolana, araka ireo volana amin’ny taona,

15ary osilahy iray koa dia hatao fanatitra noho ny ota ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, no hanolorana azy sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.

Momba ny fetin’ny Paska

16Ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany dia Paska* an’NY TOMPO.

17Andro firavoravoana ny andro fahadimy amby folo amin’izany volana izany. Hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.

18Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina; aza manao raharaha mavesatra.

19Izao no hatolotrareo ho fanatitra levonina amin’ny afo, dia fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, izay tsy misy kilema, no hatolotrareo;

20ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto voaharo diloilo; telo hampahafolon’ny efaha* no hatolotrareo miaraka amin’ny vantotra ombilahy tsirairay; roa ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny ondrilahy,

21ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito,

22ary osilahy iray no ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.

23Atolory ireo ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo isa-maraina, izay atao fanatitra mandrakariva, dorana manontolo.

24Araka ireo no hanoloranareo isanandro, mandritra ny fito andro, ho hanina levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva manontolo no hanolorana izany sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.

25Amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.

Momba ny fetin’ireo Herinandro

26Amin’ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manolotra fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO ianareo amin’ny fetin’ireo Herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.

27Ireto no atolory ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy roa, ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy;

28ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon’ny efaha*, ampombaina ny ombilahy tsirairay, roa ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny ondrilahy,

29ary ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito,

30ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.

31Dia hatolotrareo ireo ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy; izay tsy misy kilema hatrany no haterinareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help