1Indro izany rehetra izany dia efa hitan’ny masoko
ary efa ren’ny sofiko ka azony.
2Izay fantatrareo dia mba fantatro koa;
tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
3Kanefa raha izaho dia ny Tsitoha no tiako hitenenana
ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
4Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga,
mpitsabo tsy mahomby ianareo rehetra.
5Raha mba nangina tanteraka ianareo
dia ho fahendrenareo izany!
6Miangavy anareo aho, henoy ny anatro
ary tandremo izay alahatry ny molotro.
7Hanao teny tsy marina hoenti-manamarina an’Andriamanitra va ianareo?
Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
8Hiangatra va ianareo ka hiandany Aminy?
Handaha-teny ho an’Andriamanitra va ianareo?
9Ho tsara aminareo va raha mandinika anareo Izy?
Sa ho azonareo fitahina ohatra ny famitaka zanak’olombelona va Izy?
10Hanameloka anareo mihitsy Izy
raha miangatra ao amin’ny mangingina ianareo.
11Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany?
Ary tsy hianjera aminareo va ny fahatahorana Azy?
12Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana
ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
13Mangìna ka mialà amiko ianareo!
Fa mba hiteny aho,
koa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
14Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ny nifiko aho
ka hanaovako ny aiko tsy ho zavatra?
15Na dia hamono ahy aza Izy dia mbola hanantena Azy ihany aho,
kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.
16Ary izany no ho famonjena ahy
satria ny mpihatsaravelatsihy dia tsy ho sahy hankeo anatrehany.
17Henoy tsara ny teniko
ary aoka ho ren’ny sofinareo ny fanazavako.
18Indro, efa nalahatro ny adiko;
fantatro fa hanan-drariny aho.
19Iza no hifandahatra amiko?
Fa izao dia hangina aho ka hiala aina.
20Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko
dia tsy hiery Anao aho:
21Esory lavitra ahy ny tananao
ary aoka tsy hampihorohoro ahy ny fampitahorana avy Aminao.
22Dia miantsoa fa hamaly aho;
na izaho no hiteny dia Ianao no hamaly ahy.
23Firy ary ny heloko sy ny fahotako?
Mba ampahafantaro ahy izay fikomiako sy izay fahotako.
24Nahoana no manafina ny tavanao Ianao
ka manao ahy ho fahavalonao?
25Moa izay ravin-kazo indaosin’ny rivotra avy va no ampitahorinao?
Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
26Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy
ka ampanodiavinao ahy ny heloky ny fahatanorako.
27Mampiditra ny tongotro eo amin’ny boloky hazo Ianao
ary mitsongo ny diako rehetra
sady alainao marika ny dian-tongotro.
28Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra lanin’ny fositra;
eny, tahaka ny akanjo lanin’ny koroka.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.