Jeremia 47 - Malagasy Bible Revision Version

Faminaniana ny amin’ny Filistina

1Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Filistina, fony i Farao tsy mbola namely an’i Gaza.

2Izao no lazain’NY TOMPO:

Indro, misy rano mizotra avy any avaratra

ka ho tonga ony maria

manafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy,

dia ny tanàna mbamin’izay monina ao aminy;

mitaraina ny olona,

ary midradradradra ny mponina rehetra amin’ny tany,

3noho ny fikatrokatroky ny kitron’ny soavaliny matanjaka

sy ny fikorodondrodon’ny kalesy fitondrany miady

ary ny fikotrokotroky ny kodiarany;

ary ny ray dia tsy mijery ny zanany

fa miraviravy tanana,

4noho ny hiavian’ny andro

handravana ny Filistina rehetra

sy handringanana izay sisa rehetra

ta hanampy an’i Tiro sy i Sidona;

fa horavan’NY TOMPO ny Filistina,

dia ny sisa avy any amin’ny nosy Kaftora.

5Voaharatra ny lohan’i Gaza,

ao anatin’ny fahanginana i Askelona

mbamin’ny sisa amin’ny lohasahany;

mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao?

6Indrisy, ry sabatry NY TOMPO!

Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao?

Midira ao amin’ny tranonao ihany;

mitsahara, mijanòna.

7Hataonao ahoana no fitsahatra?

Fa NY TOMPO no nandidy azy,

eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina,

izay no efa nanendreny azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help