2Tesaloniana INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version

INDRAY MIJERYNy votoatin’ny EpistilyToa tsy nazava loatra tamin’ny Tesaloniana izay voalazan’i Paoly momba ny fiavian’ny Tompo. Nisy koa ireo olona ta hanakorontana ka nanao fampianaran-diso fa «efa miandoha ny andron’ny Tompo». Koa efa niandry fotsiny ny sasany noho izany ka tsy niasa intsony.Manampy fanazavana momba ny fiavian’ny Tompo ary i Paoly fa mialoha izany dia tsy maintsy hisy ny fihemorana ary hiseho ny fanoherana amin’ny alalan’ilay «lehilahin’ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana». Tsy tokony hanova ny fitondrantena mahamendrika ny Kristiana akory ny fiandrasana izany fiavian’ny Tompo izany.Ny firafitry ny EpistilyFiarahabana: 1.1-2Ny fitsaran’Andriamanitra amin’ny hiavian’ny Tompo: 1.3–2.12Ny faharetana amin’ny fitondrantena kristiana eo am-piandrasana ny Tompo: 2.13–3.15Tsodrano sy fanaovam-beloma: 3.16-18
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help