Salamo 76 - Malagasy Bible Revision Version

Ao Ziona Andriamanitra no mampitsahatra ny adyHo an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Salamo nataon’i Asafa. Tononkira.

1Andriamanitra dia fantatra ao amin’ny Joda;

malaza eo amin’ny Israely ny anarany;

2naoriny ao Salema ny tranolainy

ary ao Ziona* ny fonenany.

3Tao no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatselatra,

ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. Fiatoana.

4Mamirapiratra Ianao sady be voninahitra,

mihoatra noho ny tendrombohitra mandrakizay.

5Voababo ny mahery fo;

renoky ny torimasony izy;

samy tsy nahahetsika ny tanany avokoa ny lehilahy mahery rehetra.

6Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’i Jakoba,

dia sondrian-tory na ny kalesy fitondra miady na ny soavaly.

7Ianao, Ianao no mahatahotra!

Koa iza no mahajanona eo anatrehanao rehefa miseho ny fahatezeranao?

8Avy tany an-danitra no nampandrenesanao ny didim-pitsarana;

raiki-tahotra ny tany ka sina

9rehefa nitsangana hitsara Andriamanitra

mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ny tany. Fiatoana.

10Ny fahatezeran’ny olona aza midera Anao;

isikinanao ny fahatezerana sisa.

11Manaova voady amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ka efao ny voadinareo!

Aoka izay rehetra manodidina Azy hanolotra fanatitra ho an’Izay mahatahotra.

12Manapitra ny fofonain’ny mpitondra Izy,

ary Izy no tahotry ny mpanjakan’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help