Ohabolana 31 - Malagasy Bible Revision Version

Torohevitra ho an’ny mpanjaka iray

1Ny tenin’i Lemoela mpanjaka. Teny mavesa-danja izay nampianarin’ny reniny azy.

2Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako?

Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?

3Aza omena ny vehivavy ny herinao,

ary aza mandeha amin’ny lalana izay mahavery mpanjaka.

4Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela,

eny, tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay,

na amin’ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka,

5fandrao raha misotro izy dia hanadino ny lalàna

ka mamily ny fitsarana ny olona ory.

6Omeo toaka izay efa ho faty,

eny, divay ho an’izay azon’ny fangidiam-panahy;

7aoka hisotro izy mba hanadinoany ny fahantrany

ary tsy hahatsiarovany intsony ny fahasahiranany!

8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana

mba hahazoan’izay rehetra resin’ny adim-piainana ny rariny.

9Sokafy ny vavanao ka mitsarà amin’ny fahamarinana

ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra.

Ny vehivavy mahafatra-poalef א

10Iza no mahita vehivavy mahafatra-po?

Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.

bet ב

11Matoky azy ny fon’ny lahy

ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.

gimel ג

12Soa no ataon-dRavehivavy aminy fa tsy ratsy,

amin’ny andro rehetra iainany.

dalet ד

13Mizaha volon’ondry sy kofehy rongony izy

ary mazoto miasa amin’ny tanany.

he ה

14Toy ny sambon’ny mpivaro-mandeha izy

ka avy lavitra no itondrany ny haniny.

vav ו

15Mifoha izy raha mbola alina

ka manome hanina ho an’ny ankohonany

ary manome anjara ho an’ny mpanompovaviny.

zaìn ז

16Mihevitra saha izy ka mahazo azy;

ny vokatry ny tanany no anaovany tanim-boaloboka.

het ח

17Misikina hery izy

ary hatanjahiny ny sandriny.

tet ט

18Hitany fa tsara ny tombom-barony

ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.

yod י

19Mandray ny hazo fihazonam-bohavoha izy

ary ny tanany dia mihazona ny ampela.

kaf כ

20Manatsotra ny tanany amin’ny ory izy,

eny, mamelatra ny tanany amin’ny mahantra.

lamed ל

21Tsy manahy ny orampanala ho amin’ny ankohonany izy

fa ny ankohonany rehetra dia samy voatafy volon’ondry jaky avokoa.

mem מ

22Manao firakotra ho azy izy;

ny fitafiany dia vita amin’ny lamba rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.

non נ

23Ny lahy dia hajaina eo amin’ny vavahady*

rehefa miara-mipetraka amin’ny loholona.

samek ס

24Manamboatra akanjo hariry madinika Ravehivavy ka mivarotra izany

ary fehikibo no amidiny amin’ny mpivaro-mandeha.

aìn ע

25Hery sy voninahitra no fitafiny

ary ny andro ho avy dia ihomehezany.

pe פ

26Miteny amin’ny fahendrena izy

ary fampianarana feno hatsaram-panahy no eo am-bavany.

tsade צ

27Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy

ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana.

kof ק

28Ny zanany mitsangana ka midera azy ho sambatra;

ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:

resh ר

29Maro ny zazavavy nanao soa,

fa manoatra noho izy rehetra ianao.

shin שׁ

30Fitaka ny hatsaram-bika ary zava-poana ny hatsaran-tarehy,

fa ny vehivavy matahotra NY TOMPO ihany no hoderaina.

tav ת

31Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tanany

ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help