Isaia 54 - Malagasy Bible Revision Version

Jerosalema, vadin’NY TOMPO

1Mihobia ianao, ry momba,

izay tsy niteraka!

Eny, velomy ny hoby ka manandrata feo,

ianao izay tsy mba nihetsi-jaza!

Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro

noho ny zanaky ny manambady,

hoy NY TOMPO.

2Halalaho ny itoeran’ny tranolainao

ary aoka hohenjanina ny ambaindainao

ka aza avela hisy hikentrona!

Halavao ny kofehinao

ary aoreno mafy ny tsatokan-dainao!

3Fa hiitatra any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia ianao

ary hahazo firenena hafa ny taranakao

ka hasiany mponina ny tanàna lao.

4Aza matahotra

fa tsy hitsanga-menatra ianao;

ary aza mangaihay

fa tsy havela ho afa-baraka ianao;

fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao

ary tsy ho tsaroanao intsony

ny tondro-masonao fony mpitondratena.

5Fa ny Mpanao anao no Vadinao,

Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany.

Ny Iray Masin’ny Israely no Mpanavotra anao.

Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.

6Fa NY TOMPO efa nampody anao,

dia ianao izay tahaka ny vady efa nafoy

ka ory am-panahy.

Vadin’ny fahatanorana va dia azo apetraka?

hoy Andriamanitrao.

7Indray mipy maso monja

no nahafoizako anao,

fa amin’ny indrafo lehibe kosa

no ampodiako anao;

8tamin’ny firehetan’ny fahatezerako

no nanafenako ny tavako taminao indray mipy maso monja,

fa amin’ny famindrampo mandrakizay kosa

no amindrako fo aminao,

hoy NY TOMPO, Mpanavotra anao.

9Fa Amiko izany dia tahaka ilay ranon’i Noa,

koa tahaka ny nianianako

fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’i Noa

dia toy izany no ianianako

fa tsy ho tezitra aminao

na hiteny mafy anao intsony Aho.

10Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra

ary na dia hihetsika aza ny havoana,

tsy mba hiala aminao ny famindrampoko,

ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako,

hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.

Jerosalema amin’ny ho avy

11Ianao ry ory izay asafotofoton’ny tafio-drivotra

sady tsy manana fampiononana!

Indro Aho hahatonga ny vatonao hiloko fotsy manopy manga

sy hametraka ny fanorenanao amin’ny safira,

12hataoko robisy ny tilikambo fiambenanao,

vato berila ny vavahadinao,

ary vatosoa ny faritry ny taninao manodidina.

13Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’NY TOMPO

ka ho be ny fiadanan’ny zanakao.

14Amin’ny fahamarinana no hampiorenana anao;

manalavira ny fampahoriana,

fa tsy hatahotra ianao,

ary ny fampihorohoroana

tsy hanakaiky anao intsony.

15Na dia misy miara-mioko hamely anao aza

dia tsy avy Amiko izany;

ary na iza na iza miara-mioko hamely anao

dia ho lavo noho ny aminao kosa.

16Indro Izaho no nahary ny mpanefy

izay mifofotra ny vainafon’arina

ka mahavita fiadiana araka ny asany;

Izaho koa no nahary

ny mpandringana mba handringana azy.

17Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao

dia tsy hisy hambinina;

ary ny lela rehetra izay miady aminao

dia horesenao lahatra.

Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO

sy fahamarinany avy Amiko,

hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help