1Tamin’ny taona nahatongavan’ny lehiben’ny tafika tany Asdoda, raha nirahin’i Sargona mpanjakan’i Asiria izy, dia namely an’i Asdoda izy ka nahazo azy.
2Tamin’izany andro izany no nampitondran’NY TOMPO teny an’Isaia, zanak’i Amoza hoe: Andeha, borahy ho afaka eny an-tsikinanao ny akanjo fisaonana, ary esory hiala amin’ny tongotrao ny kiraronao. Dia nanatanteraka izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
3Ary hoy NY TOMPO: Tahaka ny nandehanan’Isaia mpanompoko nandritra ny telo taona, sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho fambara sy ho fahagagana ny amin’i Ejipta sy i Kosy,
4dia ho toy izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny Ejiptiana ho babo, sy ny Kosita ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’i Ejipta.
5Ary ho raiki-tahotra sy hitsanga-menatra ny Israely noho ny amin’i Kosy fanantenany sy i Ejipta reharehany.
6Amin’izany andro izany dia hiteny ny mponina etỳ amoron-dranomasina hoe: E, ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika mba hamonjy antsika ho afaka amin’ny mpanjakan’i Asiria! Aiza intsony re no handosirantsika?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.