Joba 28 - Malagasy Bible Revision Version

Ny zava-miafin’ny fahendrena

1Fa misy tany fihadiana volafotsy

ary misy toerana fandiovana volamena.

2Ny vy dia alaina avy amin’ny vovoka

ary ny varahina dia arendrika avy amin’ny vato.

3Ny mpihady vola dia mampisava ny maizina

ka mikaroka hatrany amin’ny faran’ny lalina any

ny vato any anatin’ny haizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;

4mihady lavaka lavitry ny fonenan’ny olona izy;

mievingevina ny tongony,

mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona any.

5Ny tany no iavian’ny hanina,

nefa any anatiny ambany any izy dia avadika toy ny amin’ny afo.

6Toeran’ny safira ny vatony

ary misy vovo-bolamena ao aminy.

7Tsy fantatry ny vorona mpihaza ny lalana mankany

ary tsy hitan’ny mason’ny voromahery;

8tsy nodiavin’ny mpiremby

ary tsy mba nalehan’ny liona masiaka.

9Manatsotra ny tanany amin’ny vatokaranana ireo

ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ny fotony;

10ny vatolampy dia tatahany hatao lalan-drano

ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ny masony avokoa.

11Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete

ary izay zavamiafina dia avoakany ho amin’ny mazava.

12Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena?

Ary aiza ny fitoeran’ny fahalalana?

13Tsy misy zanak’olombelona mahalala ny vidiny

ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izy.

14Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy.

Ary hoy ny ranomasina: Tsy ato amiko izy.

15Tsy azo atakalo volamena tsara izy

ary ny volafotsy dia tsy azo lanjaina ho vidiny;

16ny volamena avy any Ofira dia tsy ampy ho tombany,

na ny berila sarobidy na ny safira aza.

17Ny volamena sy ny fitaratra dia tsy azo ampitahaina aminy

ary tsy azo atakalo firavaka volamena tsy miharo izy.

18Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato kristaly,

fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.

19Ny topaza avy any Kosy dia tsy azo ampitahaina aminy

ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara.

20Dia avy aiza ary ny fahendrena?

Ary aiza ny fitoeran’ny fahalalana?

21Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izany

ary takona amin’ny voromanidina.

22Hoy ny Fandringanana sy Rafahafatesana:

Ny sofinay ihany no nandrenesanay ny filazana azy.

23Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy

ary Izy no mahafantatra ny itoerany;

24fa Izy no mitsinjo hatrany amin’ny faran’ny tany

ary mahatazana manerana izao ambanin’ny lanitra rehetra izao

25ka manendry ny lanjan’ny rivotra

ary mamatra ny rano amin’ny famarana.

26Tamin’ny nanaovany lalàna ho an’ny ranonorana

sy lalana halehan’ny tselatry ny kotrokorana

27dia nahita azy Izy ka nanambara azy;

eny, nametraka ny fanorenany Izy sady namantatra azy.

28Dia hoy Izy tamin’ny olombelona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena

ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help