Isaia 8 - Malagasy Bible Revision Version

Ilay zanak’Isaia izay manana anarana mifono hevi-dalina

1Hoy NY TOMPO tamiko: Makà fafana lehibe ka soraty eo araka ny fanoratry ny olona hoe: Mahera-Salala-Hasy-Baza, izany hoe: Avy haingana ny famaboana, mihazakazaka ny fandrobana!

2Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria, zanakalahin’i Jeberekia.

3Nanakaiky ny mpaminanivavy aho; dia nanana anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-Salala-Hasy-Baza.

4Satria raha tsy mbola mahatonona hoe: Dada! Neny! Io zazalahy io dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny harenan’i Damaskosy sy ny fananan’i Samaria.

Ny fanafihan’ny Asiriana

5Mbola niteny tamiko indray NY TOMPO hoe:

6Satria mandà ny rano Siloa

izay misononoka ity firenena ity

ary mifaly amin’i Rezina

sy ny zanak’i Remalia

7dia indro, hampiakarin’ny Tompo

hanafotra azy

ny ranobe manonja amin’ny ony Eofrata,

dia ny mpanjakan’i Asiria sy ny voninahiny rehetra.

Ho tondraka ny renirano

ary hihoarany ny morony rehetra;

8dia hiriotra mafy izy ka hipaoka ny Joda

ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany

mandra-pahatongany havozona.

Ary ny fivelatry ny elany dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô!

Amintsika Andriamanitra

9Mangovita ianareo, ry firenena ô,

fa mbola ho ringana ianareo!

Mihainoa tsara,

ry tany lavitra rehetra!

Misikìna ianareo hiady,

nefa ho ringana ihany!

Eny, misikìna ianareo hiady,

nefa ho ringana tanteraka.

10Makà saina ianareo hanaovana vinavinan’asa,

nefa hofoanana izany!

Milazà teny iray;

fa tsy ho tanteraka tsy akory izany!

Fa aminay Andriamanitra.

NY TOMPO no tokony hatahoranareo

11Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko raha nihazona ahy mafy ny tanany ka nanariny tsy handeha amin’ny falehan’ity firenena ity aho:

12Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana

izay lazain’ity firenena ity ho tetika fikomiana;

aza matahotra izay atahorany ianareo

na mangorohoro noho ny aminy.

13Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

no hamasino;

Izy ihany no tokony hatahoranareo,

ary Izy ihany no tokony hampangovitra anareo.

14Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy,

fa ho vato mahatafintohina

sy vatolampy mahasolafaka kosa

ho an’ny firenena roa amin’ny Israely,

sady ho fandrika sy tonta

ho an’ny mponin’i Jerosalema.

15Maro no ho tafintohina Aminy

sady ho lavo sy ho torotoro

ary ho voafandrika sy ho voasambotra.

Ny fiandrasana sy ny fanantenan’ny mpaminany

16Tehirizo ny teny vavolombelona,

ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro.

17Hiandry NY TOMPO

izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakoba aho;

hanantena Azy ihany aho.

18Indreto izaho sy ireo zaza nomen’NY TOMPO ahy,

fambara sy fahagagana ao amin’ny Israely

avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

izay monina ao amin’ny tendrombohitra Ziona*.

19Raha misy milaza aminareo hoe:

Makà saina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro,

izay mingonongonona sy miboredidredika!

Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina?

Moa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy?

20Ho amin’ny lalàna sy ny teny vavolombelona ihany!

Raha tsy miteny araka izany teny izany izy

dia ho olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina.

21Hivezivezy amin’ny tany amin’ny fahantrana sy ny mosary ny olona;

ary rehefa mosarena izy

dia ho sosotra

ka hanozona ny Mpanjakany sy Andriamaniny

ary hiandrandra izy.

22Hijery ny tany izy avy eo

ka indro, fahoriana sy fahamaizinana ary tebiteby mampanjombona no eo;

ary horoahina ho any amin’ny haizim-pito izy.

Ilay Andrianan’ny fiadanana

23Tsy hanjombona mandrakariva anefa

ilay efa niharam-pahoriana.

Taloha dia natao tsinontsinona

ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly;

fa amin’ny ho avy kosa dia homeny voninahitra

ny lalana amoron-dranomasina, any andafin’i Jordana,

dia any Galilia, tanin’ny Jentilisa*.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help