Joba 27 - Malagasy Bible Revision Version

Ny teny navalin’i Joba (tohiny): Ny olona diso va afaka hiantso vonjy amin’Andriamanitra?

1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany i Joba hoe:

2Raha velona koa Andriamanitra

izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny

sy ny Tsitoha izay efa nampangidy ny aiko,

3fa mbola ato amiko ihany ny aiko

ary mbola eo am-bavoroko ny fofonaina avy amin’Andriamanitra,

4dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro

ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.

5Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho!

Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.

6Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko;

ny foko dia tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ny androko iray monja aza.

7Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko

ary olon-tsy marina izay mitsangana manohitra ahy!

8Fa inona no tombony antenain’ny mpihatsaravelatsihy

rehefa tsoahan’Andriamanitra ny ainy?

9Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra

raha ozoim-pahoriana izy?

10Hahita haravoravoana amin’ny Tsitoha va izy?

Hahazo miantso an’Andriamanitra mandrakariva va izy?

11Hampianatra anareo ny amin’ny tanan’Andriamanitra aho

ary tsy hanafenako anareo ny hevitry ny Tsitoha.

12Indreo ianareo rehetra dia samy efa nahita izany;

koa nahoana ianareo no mandany andro amin’ny hevi-poana?

13Izao no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra

sy lovan’ny mpampihorohoro raisiny avy amin’ny Tsitoha:

14Na dia mihamaro aza ny zanany dia ho an’ny sabatra ihany ireny.

Ary ny zaza aterany dia tsy ho voky hanina;

15ny ankohonany sisa dia hasitrik’i Rafahafatesana

ary tsy hisaona azy ny mpitondratena navelany;

16na dia mahary volafotsy ohatra ny vovoka aza izy

ary mahangona fitafiana ohatra ny tanimanga;

17eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany,

ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy.

18Manao ny tranony tahaka ny an’ny lolofotsy izy

ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ny mpiandry voly;

19Ao ihany ny harenany rehetra raha vao mandry izy,

nefa nony ahirany ny masony dia tsy ao intsony ireny.

20Mahatratra azy tahaka ny riaka ny fampahatahorana;

nony alina dia paohin’ny tafio-drivotra izy;

21Manainga azy sy mahalasa azy ny rivotra avy any atsinanana

ka mipaoka azy hiala amin’ny fitoerany;

22asian’ny olona ny tsipìka izy ka tsy iantrany,

dia voatery mandositra ho afaka amin’ny tanany izy.

23Tehafin’ny olona tanana izy

sady isiafany ka ampialainy amin’ny fonenany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help