Zakaria 13 - Malagasy Bible Revision Version

Holevonin’Andriamanitra ny sampy sy ny mpaminany sandoka rehetra

1Amin’izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ny taranak’i Davida sy ho an’ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.

2Ary amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahin’ny fahalotoana.

3Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hiteny aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ny anaran’NY TOMPO; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy raha maminany izy.

4Amin’izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hisalotra akanjo volom-biby hamitahana intsony izy

5fa hilaza hoe: Tsy mpaminany aho fa mpiasa tany, satria nisy nividy ahy ho andevo fony aho mbola kely.

6Dia hisy hilaza aminy hoe: Koa inona itony ratra eny amin’ny tratranao itony? Dia hovaliny hoe: Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny.

Ny nanavaozana ny fanekena

7Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko

sy ny lehilahy izay akaiky Ahy,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Asio ny mpiandry

dia hihahaka ny ondry!

Ary hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.

8Ary amin’ny tany rehetra,

hoy NY TOMPO,

ny androatokony ao dia haringana ho faty,

fa ny ampahatelony sisa ao no havela.

9Ary hoentiko miditra amin’ny afo ny ampahatelony,

ary harendrika

toy ny fandrendrika volafotsy izy,

ary hizahako toetra

toy ny fizaha toetra ny volamena izy.

Hiantso ny anarako izy,

ary Izaho hamaly azy;

Izaho hilaza hoe: Oloko izy!

Ary izy hiteny hoe: NY TOMPO no Andriamanitro!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help