1Korintiana 8 - Malagasy Bible Revision Version

Ny amin’ny hena izay efa natao fanatitra tamin’ny sampy

1Ny amin’ny hena naterina tamin’ny sampy dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana dia mampieboebo, fa ny fitiavana no mampandroso.

2Fa raha misy mihevitra ny tenany ho mahalala zavatra dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.

3Fa raha misy tia an’Andriamanitra dia izy no fantany.

4Ary ny amin’ny mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany.

5Fa na dia misy aza lazaina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany, toy ny hoe misy andriamanitra maro sy tompo maro,

6amintsika kosa dia iray ihany Andriamanitra, dia ny Ray

izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika;

ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy*

izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.

7Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin’ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin’ny sampy; koa voaloto ny fieritreretany satria malemy.

8Fa tsy ny hanina akory no hampifanakaiky antsika amin’Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika dia tsy mahazo tombony.

9Tandremo anefa, fandrao ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy finoana izany fahafahanareo izany.

10Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin’ny tempolin’ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan’ny malemy finoana hihinana izay hena naterina tamin’ny sampy koa va izany?

11Fa very noho ny fahalalanao ny malemy finoana, dia ny rahalahy izay navotan’i Kristy tamin’ny fahafatesany!

12Fa raha manota toy izany amin’ny rahalahy ianareo ka mandratra ny fieritreretan’ny malemy finoana dia manota amin’i Kristy ianareo.

13Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko dia tsy hihinana izay hena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help