Ohabolana 1 - Malagasy Bible Revision Version

Ny tanjon’ny Boky

1Ohabolan’i Solomona,

zanak’i Davida, mpanjakan’ny Israely,

2hahalalana fahendrena sy fananarana,

hahatakarana izay lazain’ny fahalalana,

3handraisana fananarana mampahahendry,

dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;

4hanomezana hakingana ho an’ny tso-po,

ary fahalalana sy fahaiza-mandinika ho an’ny zatovo.

5Aoka hihaino ny hendry ka hitombo fahalalana;

ary aoka ny mahira-tsaina hahazo fahaiza-mitondra,

6hahazoany ny hevitry ny ohabolana sy ny teny saro-takarina

mbamin’ny tenin’ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.

7Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahalalana;

fa ny adala dia manamavo ny fahendrena sy ny anatra.

Fampitandremana tsy hiara-dalana amin’ny mpanao ratsy

8Anaka, mihainoa ny fananaran’ny rainao,

ary aza mahafoy ny fampianaran’ny reninao;

9fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany

ary firavaka iambozonanao.

10Anaka, raha taomin’ny mpanota ianao

dia aza manaiky.

11Raha hoy izy ireo hoe: Andeha hiaraka aminay,

andeha isika hanao vela-pandrika handatsa-dra,

andeha hofandrihantsika tsy amin’antony ny tsy manan-tsiny,

12andeha isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ny fitoeran’ny maty*

ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka an-davaka,

13dia ho antsika ny fananana sarobidy isan-karazany rehetra

ka hofenointsika babo ny tranontsika.

14Avia hiara-miloka aminay ianao

ka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra!

15Anaka, aza miara-dalana aminy ianao,

arovy tsy hankany amin’ny alehany ny tongotrao;

16eny, ny tongony mihazakazaka ho amin’ny ratsy

ary mailaka erỳ izy handatsa-dra.

17Foana ny amelarana ny fandrika

raha hitan’ny manana elatra rehetra.

18Ireny mantsy dia manao vela-pandrika handatsa-dra ny tenany ihany,

mamitsaka izy, nefa ny tenany ihany no ho faty.

19Toy izany no hiafaran’izay rehetra fatra-pitady harena tsy marina;

fa hipaoka ny ain’izay fatra-pitady azy izany.

Antso sy fampitandremana ataon’ny Fahendrena

20Miantso mafy eny an-dalambe ny Fahendrena,

manandratra ny feony eny amin’ny kianja malalaka izy;

21miantsoantso eny an-tampon’ny toerana feno tabataba izy;

eny am-bavahadin’ny tanàna no anambaràny ny teniny hoe:

22Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny hadalana

sy hifalian’ny mpaniratsira amin’ny faniratsirana

ary hankahalan’ny adala ny fahalalana?

23Miverena ianareo hihaino ny fananarako!

Indro, haidiko aminareo ny fanahiko

ary hampahafantariko anareo ny teniko.

24Satria efa niantso aho, nefa nandà ianareo;

efa nanatsotra ny tanako aho, nefa tsy nisy niraharaha.

25Nohamavoinareo ny torohevitra rehetra natolotro

sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo;

26Izaho kosa dia hihomehy, rehefa manjo anareo ny loza;

handatsa aho, rehefa tonga izay mahatahotra anareo,

27rehefa tonga tahaka ny rivo-doza ny zava-mahatahotra anareo,

ary ny loza ho avy toy ny tadio

ka manjo anareo ny fahoriana sy ny tebiteby.

28Amin’izay dia hiantso ahy izy, nefa tsy hamaly aho;

hitady ahy fatratra izy, nefa tsy ho hitany aho.

29Satria nankahala ny fahalalana izy

ary tsy nifidy ny fahatahorana NY TOMPO;

30satria tsy nila ny saina natolotro izy

fa notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,

31dia hihinana ny vokatry ny alehany izy

ka ho voky ny torohevitra avy amin’ny tenany.

32Fa hahafaty ny kely saina ny fihemorany,

ary ny tokitoky foanan’ny adala no handringana azy.

33Fa izay mihaino ahy kosa dia hitoetra tsy manana ahiahy;

eny, handry fehizay izy ka tsy hatahotra ny loza.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help