1Nalaina isa araka ny firazanany avy ny Israely rehetra; ary indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely izany. Ny Joda dia noentina ho babo tany Babilona noho ny fahotany.
2Ny mponina voalohany tamin’ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Israelita sy ny mpisorona ary ny levita* sy ny Netinima.
3Tany Jerosalema no nonenan’ny sasany avy amin’ny taranak’i Joda, ny sasany avy amin’ny taranak’i Benjamina, ny sasany avy amin’ny taranak’i Efraima ary ny sasany avy amin’ny taranak’i Manase,
4dia i Otahy, zanak’i Amihoda, zanak’i Omry, zanak’Imry, zanak’i Bany, avy amin’ny taranak’i Fareza, zanak’i Joda.
5Tamin’ny Silonita dia i Asaia, lahimatoa, sy ny zanany.
6Tamin’ny taranak’i Zera dia i Jeoela sy ny rahalahiny, sivifolo sy eninjato.
7Tamin’ny taranak’i Benjamina dia i Salo, zanak’i Mesolama, zanak’i Hodavia, zanak’i Hasenoa;
8i Jibnia, zanak’i Jerohama; i Elaha, zanak’i Ozy, zanak’i Mikry; i Mesolama, zanak’i Sefatia, zanak’i Regoela, zanak’i Jibnia;
9ary ny isan’ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimampolo sy sivinjato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany avy.
10Tamin’ny mpisorona dia i Jedaia, i Jehoiariba, i Jakina,
11i Azaria, zanak’i Hilkia, zanak’i Mesolama, zanak’i Zadoka, zanak’i Meraiota, zanak’i Ahitoba, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra;
12i Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia ary i Masay, zanak’i Adiela, zanak’i Jazera, zanak’i Mesolama, zanak’i Mesilemita, zanak’Imera.
13Ny rahalahin’ireo, izay samy loham-pianakaviany avy, dia enimpolo sy fitonjato sy arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra ireo.
14Tamin’ny levita dia i Semaia, zanak’i Hasoba, zanak’i Azrikama, zanak’i Hasabia, tamin’ny taranak’i Merary;
15i Bakbakara, i Haresy, i Galala ary Matania, zanak’i Mika, zanak’i Zikry, zanak’i Asafa;
16i Obadia, zanak’i Semaia, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona ary i Berekia, zanak’i Asa, zanak’i Elkana, izay nonina tamin’ny vohitry ny Netofatita.
17Ny mpiandry varavarana dia i Saloma, i Akoba, i Talmona, i Ahimana ary ny rahalahiny, fa i Saloma no lohany;
18ambaraka ankehitriny dia ao amin’ny vavahadin’ny mpanjaka ao atsinanana izy. Ireo no mpiandry varavarana tamin’ny tobin’ny taranak’i Levy.
19I Saloma, zanak’i Kore, zanak’i Abiasafa, zanak’i Kora, sy ny Koraìta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ny fiandrasana ny varavaran’ny tranolay; ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ny tobin’NY TOMPO.
20I Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary NY TOMPO nomba azy.
21I Zakaria, zanak’i Meselemia, no mpiandry ny varavaran’ny tranolay fihaonana*.
22Ny isan’ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa amby folo sy roanjato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ny vohiny avy; notendren’i Davida sy i Samoela mpahita izy noho ny fahatokiany.
23Ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ny tranolay.
24Teo amin’ny lafiny efatra no nitoeran’ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
25Ny rahalahiny izay nonina teo amin’ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
26Fa niasa tamin’ny fahatokiany ireo levita efa-dahy, lehiben’ny mpiandry varavarana, ireo; ary tonian’ireo efitrano sy ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra koa izy ireo.
27Ary eo amin’ny manodidina ny tranon’Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
28Nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana ny sasany aminy ka nanisa azy ireny isaky ny mitondra azy miditra sy mivoaka.
29Ny sasany aminy indray dia notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, ny koba tsara toto, ny divay, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra ary ny zavamanitra.
30Ny sasany tamin’ny zanaky ny mpisorona no nanao haro manitra ho fanosorana.
31Ary i Matatia, iray tamin’ny levita, lahimatoan’i Saloma koraìta, no tonia maharitra amin’ny fanendasana ny mofo atao fanatitra.
32Ny sasany tamin’ny rahalahiny, tamin’ny taranaky ny Kehatita, no tonian’ny mofo atao fanatitra ka mamboatra azy isan-tSabata.
33Ireo ihany koa no mpihira, ireo lohan’ny fianakaviana amin’ny levita ireo. Mitoetra any amin’ny efitrano ao amin’ny tempoly izy ireo ary tsy misahana raharaha hafa; fa tsy maintsy ho amin’izany raharaha izany andro aman’alina.
34Ireo dia lohan’ny fianakaviana tamin’ny levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
Ny amin’ny fianakavian’i Saoly35Tao Gibeona no nonenan’i Jeiela, rain’i Gibeona, ary ny anaran’ny vadiny dia Maka.
36Ny zanany lahimatoa dia i Abdona, nanaraka azy i Zora, i Kisy, i Baala, i Nera, i Nadaba,
37i Gedora, i Ahio, i Zakaria ary i Miklota.
38I Miklota no niteraka an’i Simeama. Ireo koa dia niara-nonina tamin’ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
39I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala.
40Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Meribaala; i Meribaala no niteraka an’i Mika.
41Ny zanakalahin’i Mika dia i Pitona, i Meleka, i Tarea ary i Ahaza.
42I Ahaza no niteraka an’i Jara; i Jara no niteraka an’i Alemeta sy i Azmaveta ary i Zimry; i Zimry no niteraka an’i Moza;
43i Moza no niteraka an’i Binea. I Refaia no zanakalahin’i Binea; i Elasa no zanakalahin’i Refaia, i Azela no zanakalahin’i Elasa.
44Nanana zanaka enina mirahalahy i Azela ka izao avy no anarany: I Azrikama, i Bokero, Ismaela, i Searia, i Obadia ary i Hanana; ireo no zanakalahin’i Azela.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.