Zakaria 1 - Malagasy Bible Revision Version

FIZARANA VOALOHANYMiverena amiko ianareo

1Tamin’ny volana fahavalo tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy no tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Tezitra indrindra tamin’ny razanareo NY TOMPO.

3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Miverena amiko ianareo,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia mba hiverina aminareo kosa Aho,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

4Aza mba toy ny razanareo izay nantsoin’ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny ratsy fanaonareo ianareo! Nefa tsy nankatò na nihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO.

5Ny razanareo, aiza moa ireny izao?

Ary ny mpaminany,

moa velona mandrakizay va ireny?

6Fa ny teniko sy ny didiko

izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko,

tsy nahatratra ny razanareo va izany?

Dia niverina izy ireny ka niteny hoe: Araka izay nosainin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hatao amintsika araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.

Fahitana voalohany: Ny mpitaingin-tsoavaly

7Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahiraika amby folo na ny volana Sebata izany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe:

8Nahita tamin’ny alina aho fa indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ny rotra teny amin’ny lohasaha lalina, ary teo aorianany dia nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.

9Dia hoy aho: Tompoko ô, midika inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ireo.

10Ary hoy Ralehilahy izay nijanona teny amin’ny rotra: Ireo dia nirahin’NY TOMPO hivezivezy eny amin’ny tany.

11Ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia niteny tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO* izay nijoro teny amin’ny rotra hoe: Efa nivezivezy teny amin’ny tany izahay, ary indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fehizay.

12Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO: E, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’i Jerosalema sy amin’ny tanànan’i Joda, izay efa notezeranao fitopolo taona izao?

13Dia novalian’NY TOMPO teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.

14Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Ataovy antso avo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Saro-piaro dia saro-piaro

ny amin’i Jerosalema sy i Ziona* Aho.

15Ary tezitra indrindra Aho

amin’ireo firenena miadana;

satria Izaho dia tezitra kely ihany,

fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.

16Koa izao no lazain’NY TOMPO:

Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ny indrafo Aho;

ny tranoko dia haorina eto, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

ary ny kofehy fandrefesana dia hohenjanina eto Jerosalema.

17Miantsoa indray hoe:

Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako;

ary NY TOMPO hampionona an’i Ziona,

ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help