2Timoty INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version

INDRAY MIJERYAny am-ponja i Paoly no manoratra ity epistily faharoa ity. Araka ny lovantsofina dia notapahin-doha tamin’ny taona 67 izy, tamin’ilay fanenjehana nataon’i Neron.Ny votoatin’ny EpistilyEfa manakaiky ny hahafatesan’i Paoly, koa ity epistily ity dia saika manana endrika didim-pananana ara-panahy, manafatrafatra mba hitahirizan’i Timoty ny zavatra tsara izay natolotr’i Paoly azy, hitomban-dahy amin’ny finoana ary tsy hitsahatra ny hitory ny teny sy hananatra.Ankoatra izay dia mbola hamafisin’i Paoly ny hafatra izay voalaza tao amin’ny epistily voalohany, ny amin’ny hanoherana ireo fampianaran-diso tafiditra ao amin’ny Fiangonana: Ny amin’ireo fampianarana sandoka, ireo mibedibedy foana, ny fitondrantena tsy mendrika, dia izay rehetra manohitra ny fahatahorana an’Andriamanitra.Ny firafitry ny EpistilyFitarihanteny. Fiarahabana apostolika: 1.1-2Fampahatsiarovana an’i Timoty mba hafana fo sy hitomban-dahy amin’ny fanompoana: 1.3–2.13Fampahatsiarovana ny hijoroan’i Timoty eo anatrehan’ireo mpampianatra sandoka amin’ny andro farany. 2.14–4.5Famaranana, misy fanekem-pinoana lehibe sy hafatrafatra samihafa: 4.6-22
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help