1Aza mifaly ry Israely,
aza faly loatra toy ny firenena hafa,
fa efa nijangajanga niala tamin’Andriamanitrao ianao,
sady efa tia karama maloto teny am-pamoloana rehetra teny!
2Tsy hahavelona azy ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka
ary handiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
3Tsy honina ao amin’ny tanin’NY TOMPO izy;
hiverina ho any Ejipta i Efraima
ary hihinana zavatra tsy madio any Asiria.
4Tsy hampidina divay ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy
sady tsy hankasitrahany izany;
tsy hankasitrahany ny zavatra vonoiny hatao fanatitra
fa ho toy ny fahan-kanina ho an’ny mpisaona;
ho voaloto izay rehetra homana izany;
fa ny haniny dia ho an’ny tenany ihany
ka tsy ho tafiditra ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
5Inona ary no hataonareo raha tonga amin’ny fotoam-pivavahana
sy amin’ny andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO?
6Fa e! Lasa nandositra ny fandringanana izy;
i Ejipta no hanangona azy,
i Memfisa no handevina azy;
ho rakotry ny songosongo mandady ny fanaka volafotsiny sarobidy;
tsilo no ho ao an-dainy.
Ny mpaminany no mahazo tsiny7Tonga ireo andro famaliana,
tonga ireo andro fampamoahana;
ho fantatr’Israely izany!
Adala ny mpaminany
ary very saina ny olona mahazo tsindrimandry
noho ny halehiben’ny helokao
sy habetsahan’ny fanoherana anao.
8Miaraka amin’Andriamanitro ny mpitilin’i Efraima, dia ny mpaminany;
eny amin’ny alehany rehetra ny haraton’ny mpamandri-borona
ary tonga hatrany amin’ny tranon’Andriamaniny ny fankahalana azy.
9Fatra-mpanao ratsy izy ireo,
toy ny tany Gibea fahiny.
Ho tsarovan’Andriamanitra ny helony
ary hovaliany ny fahotany.
Ny vokatry ny fanompoan-tsampy efa hatry ny ela10Tahaka ny voaloboka any an-tany efitra
no nahitako ny Israely.
Toy ny aviavy malady masaka
no nahitako ny razanareo.
Nefa ireny dia tonga tany Baala-Peora
ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra,
ary tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy.
11Ny amin’i Efraima, hihelina toy ny voromanidina ny voninahiny
ka tsy hisy hiteraka,
na hanana anaka,
na ho torontoronina.
12Na dia misy mitaiza aza ny zanany
dia hofoanako ihany ireny mialoha ny maha lehibe azy.
Eny, hahita loza tokoa izy amin’ny handaozako azy!
13I Efraima, raha ny nahitako azy, dia voavoly ao amin’ny tany mahafinaritra tahaka an’i Tiro,
nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ny mpamono izy.
14TOMPO ô, omeo azy...
Inona no homenao azy?
Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.
15Ao Gilgala ny fahotany rehetra;
eny, tao no nankahalako azy.
Noho ny faharatsian’ny asany
dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy.
Tsy ho tia azy intsony Aho
fa mpikomy avokoa ny mpanapaka azy.
16Voaratra i Efraima,
maina ny fotony
ka tsy hamoa intsony izy;
eny, na dia miteraka aza izy,
dia hovonoiko ny nateraky ny kibony izay mahafinaritra azy.
17Harian’Andriamanitro izy
satria tsy nihaino Azy;
ho tonga mpirenireny any amin’ny Jentilisa* izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.