Ezekiela 11 - Malagasy Bible Revision Version

Hotsaraina i Jerosalema noho ny fahotany

1Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary indreo, nisy olona dimy amby roapolo lahy teo anoloan’ny vavahady; dia hitako teo amin’ireo i Jazania zanak’i Azora sy i Pelatia zanak’i Benaia, lehiben’ny vahoaka.

2Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona*, ireo no lehilahy izay misaina hanao ratsy sady manome torohevitra ratsy ato amin’ity tanàna ity,

3dia izay milaza hoe: Mbola tsy izao no fotoana hanorenana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena!

4Koa maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak’olona!

5Dia tonga tamiko ny Fanahin’NY TOMPO ka hoy Izy tamiko:

Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Izany no fiteninareo, ry taranak’Israely! Fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.

6Ianareo dia nahamaro ny voavononareo tato amin’ity tanàna ity ary ny arabeny dia nofenoinareo faty.

7Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; fa ianareo kosa dia havoaka tao.

8Matahotra ny sabatra ianareo nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

9Havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tanan’ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.

10Ho lavon’ny sabatra ianareo; any amin’ny sisintanin’ny Israely no hitsarako anareo ka ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.

11Ity tanàna ity dia tsy ho vilaninareo, ary ianareo dia tsy ho hena ato anatiny; fa any amin’ny sisintanin’ny Israely no hitsarako anareo.

12Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO satria tsy nandeha araka ny lalànako ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny Jentilisa* izay manodidina anareo ihany no nataonareo.

13Ary raha mbola naminany aho dia maty i Pelatia zanak’i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin’ny feo mahery hoe: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Holevoninao va ny hany sisa amin’ny Israely?

Hangonin’Andriamanitra indray ny olony niely patrana

14Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

15Ry zanak’olona*, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao iray firazanana aminao, dia ny taranak’Israely rehetra, no nitenenan’ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira NY TOMPO; izahay no nomena ity tany ity ho lova.

16Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ny Jentilisa* aza izy ka naeliko tany amin’ny tany maro dia ho fitoerana masina ho azy vetivety ho azy Aho any amin’ny tany izay alehany.

17Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hovoriko avy any amin’ny firenena ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo ka homeko ny tanin’ny Israely.

18Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-maharikorikony rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.

19Dia homeko fo iray izy ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato ka homeko fo nofo izy

20mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany; ary ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny.

21Fa ny amin’izay manana fo manina ny zava-maharikorikony sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

Miala tao Jerosalema ny voninahitr’Andriamanitra

22Dia nasandratry ny kerobima* ny elany sy ny kodiarana teo anilany; ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely dia teo aminy, teo amboniny.

23Ary ny voninahitry NY TOMPO dia niakatra niala tao amin’ny tanàna ka nijanona teo an-tampon’ny tendrombohitra atsinanan’ny tanàna.

24Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy ho any Kaldea, tamin’ny fahitana, ho any amin’ny babo, dia tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.

25Ary nolazaiko tamin’ny babo ny teny rehetra izay nasehon’NY TOMPO ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help