1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany i Joba hoe:
2E! Raha izao moa aho no tahaka ny tamin’ireny volana lasa ireny!
Dia tahaka ny tamin’ny andro niarovan’Andriamanitra ahy!
3Fony mbola nazava teo ambonin’ny lohako ny jirony
ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ny maizina!
4Eny, tahaka ny toetrako fony mbola fararanoko,
raha niseho teo ambonin’ny tranolaiko ny fisakaizan’Andriamanitra;
5fony mbola nomba ahy ny Tsitoha
ary nanodidina ahy ny zanako;
6fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ny rononomandry aho
ary namoaka reniranon’ny diloilo ho ahy ny vatolampy!
7Raha niainga niakatra ho eo amin’ny vavahadin’ny tanàna aho
ka nametraka ny akalako teo an-kianja
8dia nahita ahy ny zatovo ka niafinafina
ary nitsangana ny fotsy volo dia naharitra nijoro;
9nangina tsy niteny ny lehibe
ka nitampim-bava;
10tsy sahy niteny ny mpanapaka
ary ny lelany dia niraikitra tamin’ny lanilaniny.
11Izay sofina nandre dia niteny ahy hoe sambatra
ary izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy
12satria namonjy ny ory izay nitaraina aho
sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
13Ny fisaoran’izay efa ho faty dia tonga tamiko
ary ny fon’ny mpitondratena dia nampifaliko.
14Nitafy fahamarinana aho ka mba nitafy ahy kosa izy.
Eny, tahaka ny akanjobe sy fehiloha ny rariny izay nananako.
15Tamin’izay aho dia maso ho an’ny jamba
ary tongotra ho an’ny mandringa;
16ray ho an’ny malahelo aho
ary ny adin’ny olona tsy fantatro aza dia nohadihadiako.
17Namotika ny nifin’ny ratsy fanahy aho
ka nandrombaka ny babo teo am-bavany.
18Dia hoy aho: Eo amin’ny akaniko ihany no hialako aina
ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
19Hamahatra eo amin’ny rano aho
ary ny ando dia hitoetra amin’ny sampako mandritra ny alina.
20Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro
ary ny tsipìkako dia hihahenjana eny an-tanako.
21Nihaino ahy ny olona dia niandry
ka nangina tamin’ny fanolorako saina izy.
22Rehefa niteny aho dia tsy mba namaly intsony izy
ary nitetevan’ny teniko izy.
23Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy
ary nitanatana vava toy ny fiandry ny faraorana.
24Raha nitsiky taminy aho dia tsy sahy nino izy
ary tsy nisy navelany ho very ny hazavana tamin’ny tarehiko.
25Nifidy ny lalana halehany aho ka nipetraka ho mpitarika azy;
eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ny miaramila
sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.