Isaia 38 - Malagasy Bible Revision Version

Ny aretina sy ny fahasitranan’i Hezekia2Mpa 20.1-11

1Tamin’izany andro izany dia narary saika maty i Hezekia; ary nankao aminy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hafaro ny ankohonanao fa ho faty ianao fa tsy ho velona.

2Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Hezekia ka nivavaka tamin’NY TOMPO.

3Hoy izy: TOMPO ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko manontolo ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao! Dia nitomany mafy indrindra izy.

4Dia tonga tamin’Isaia ny tenin’NY TOMPO hoe:

5Mandehana lazao amin’i Hezekia hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa reko ny fitarainanao ary efa hitako ny ranomasonao. Indro, hampiako dimy amby folo taona ny andronao.

6Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; hiaro ity tanàna ity Aho.

7Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’NY TOMPO, hahalalanao fa NY TOMPO hanatanteraka izay zavatra nolazainy:

8Indro, hampivereniko ambaratonga folo miaraka amin’ny masoandro ny aloka eo amin’ny famantaranandro aloka an’i Ahaza, eo amin’ilay efa nidinany iny. Dia niverina tokoa ny masoandro teo amin’ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka.

Ny vavaka nataon’i Hezekia rehefa sitrana izy

9Ny teny nosoratan’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin’ny aretiny:

10Hoy aho:

Amin’izao andro mbola iadanako izao

no tsy maintsy idirako amin’ny vavahadin’ny fitoeran’ny maty*.

Nesorina tamiko ny androko sisa!

11Hoy aho: Tsy mba hahita NY TOMPO intsony aho;

eny, tsy mba hahita NY TOMPO ao amin’ny tanin’ny velona intsony aho;

tsy mba hahita olona intsony aho,

fa ho isan’ny mponina any amin’ny fitoeran’ny maty.

12Nesorina ny fonenako

ka nafindra tsy ho amiko,

tahaka ny tranolain’ny mpiandry ondry;

ahoroko tahaka ny tenona ny androko,

fa efa hotapahiny ho afaka amin’ny kofehy mihazona azy izy.

Indray andro monja no anaperanao ny aiko!

13Nampangina ny foko aho mandra-paharain’ny andro;

tahaka ny fanapatapaky ny liona taolana no anapatapahany ny taolako rehetra;

indray andro monja no anaperanao ny aiko!

14Mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho

ary mitolokoloko tahaka ny voromailala.

Reraka miandrandra ny avo ny masoko,

TOMPO ô, ory loatra aho,

aoka hiantoka ahy Ianao!

15Inona no holazaiko? Sady namaly ahy Izy

no Izy ihany no nahatanteraka.

Handeha am-panetren-tena aho amin’ny taonako sisa rehetra

noho ny fahoriana mangidy mahazo ahy.

16Tompo ô, ny fahatsaranao no mahavelona,

ary amin’izany tokoa no iainan’ny fanahiko

ka manasitrana sy mamelona ahy Ianao.

17Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy.

Ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka mangitsokitsoka,

fa narianao tao ivohonao ny fahotako rehetra.

18Fa tsy mba mahasaotra Anao ny fitoeran’ny maty,

tsy mba mahadera Anao ny fahafatesana;

ary izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena

ny fahamarinanao intsony.

19Ny velona, ny velona ihany no hidera Anao,

tahaka ahy izao anio izao;

hampahalala ny zanany ny fahamarinanao ny ray.

20NY TOMPO efa namonjy ahy!

Hitendry ny lokangako

ao amin’ny tranon’NY TOMPO izahay

amin’ny andro rehetra iainanay.

21Dia hoy Isaia: Makà mofo aviavy ary apetaho amin’ny vay izany mba ho sitrana i Hezekia.

22Ary hoy i Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help