Salamo 139 - Malagasy Bible Revision Version

TOMPO ô, Ianao dia mahalala ahy tsaraHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy.

2Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana

sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.

3Voadinikao aho, na mandeha, na mandry,

ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.

4Fa indro TOMPO ô, tsy mbola eo amin’ny lelako akory ny teny

dia efa fantatrao izy rehetra.

5Manodidina ahy ao aorianako sy eo alohako Ianao

ary apetrakao amiko ny tananao.

6Fahalalana mahagaga ahy loatra izany;

eny, avo loatra ka tsy takatro.

7Aiza no hialako amin’ny Fanahinao?

Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?

8Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Ianao;

na dia manao ny fitoeran’ny maty* ho fandriako aza aho dia indro, any Ianao.

9Na dia maka ny elatry ny maraina

mba honina any am-paran’ny ranomasina aza aho

10dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza,

ary hazonin’ny tananao ankavanana.

11Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy

ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,

12tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao,

fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany

ka sahala ny mazava sy ny maizina.

13Fa Ianao no nahary ny voako;

namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao.

14Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy.

Mahagaga ny asanao

ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.

15Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako

fony natao tao amin’ny miafina aho

ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany.

16Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho;

voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry,

fony mbola tsy nisy

na dia iray akory aza.

17Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô!

Akory ny hamaron’ny isany!

18Raha hanisa azy aho

dia maro lavitra noho ny fasika ny isany;

raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany.

19Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô!

Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra.

20Manonona Anao hoenti-mamitaka izy;

eny, ny fahavalonao dia manonona Anao foana.

21Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, TOMPO ô,

ary ho rikoriko amin’izay mitsangana hanohitra Anao?

22Tena halako marina tokoa ireny;

fahavaloko ireny.

23Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko,

zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro;

24zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko,

dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help