Salamo 87 - Malagasy Bible Revision Version

Ziona, tanindrazan’ny firenena rehetraSalamo nataon’ny Koraìta. Tononkira.

1Ny naorin’NY TOMPO dia eo amin’ny tendrombohitra masina.

2Ny vavahadin’i Ziona* dia tian’NY TOMPO

mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’i Jakoba.

3Zava-malaza no nolazaina momba anao,

ry tanànan’Andriamanitra. Fiatoana.

4Hanonona an’i Ejipta sy Babilona Aho

ho isan’izay mahalala Ahy;

indro ny tanin’ny Filistina sy i Tiro mbamin’i Kosy,

ity dia teraka tao.

5Ary i Ziona dia hilazana hoe:

Ireto sy ireroa dia samy teraka tao;

ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.

6NY TOMPO hanisa, raha manoratra ny firenena Izy:

Ity dia teraka tao. Fiatoana.

7Hoy izay mihira sy mandihy:

Ny loharanoko rehetra dia ao Aminao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help