Zakaria 4 - Malagasy Bible Revision Version

Fahitana fahadimy: Ny fitoeran-jiro sy ny hazo oliva

1Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.

2Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy aho: Hitako fa indro, misy fitoeran-jiro izay volamena izy manontolo, ary ny fitoeran-diloilo eo aminy dia eo amboniny, ary jiro fito no eo an-tampony. Misy fantsona fito avy amin’ny jiro tsirairay izay eo an-tampony.

3Ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny iray dia eo ankavanan’ny fitoeran-diloilo, ary ny iray dia eo ankaviany.

4Dia niteny tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho hoe: Inona moa ireo, tompoko?

5Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanontany ahy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy aho: Tsia, tompoko.

6Dia hoy izy:

Izao no tenin’NY TOMPO amin’i Zerobabela:

Tsy amin-kery

na amim-pahatanjahana

fa amin’ny Fanahiko,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

7Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe?

Ho tonga tany lemaka eo anoloan’i Zerobabela ianao.

Izy no hitondra ny vato hatao tendrony

sady hisy antsoantso hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!

8Dia tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe:

9Ny tanan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy;

dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao.

10Fa iza no nanamavo ny andro anaovana asa madinika?

Ho faly ny olona mahita ny pilao

eny an-tanan’i Zerobabela.

Ireo fito ireo dia ny mason’NY TOMPO izay mijery manerana ny tany rehetra.

11Dia nanontany Azy aho hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ny fitoeran-jiro sy eo ankaviany ireo?

12Ary nanontany Azy fanindroany aho hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka volamena avy ao aminy ireo?

13Dia hoy izy: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy aho: Tsia, tompoko.

14Dia hoy izy: Ireo ny roalahy izay voahosotra amin’ny diloilo; ireo no mijoro eo anoloan’ny Tompon’ny tany rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help