Salamo 82 - Malagasy Bible Revision Version

Andriamanitra no miantoka ny fitsarana marina ho an’ny rehetraSalamo nataon’i Asafa.

1Andriamanitra dia eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra;

eo amin’ireo andriamanitra no itsarany.

2Hatramin’ny oviana no mbola hanaovanareo fitsarana tsy marina

ka hiangaranareo amin’ny ratsy fanahy? Fiatoana.

3Alaharo ny tenin’ny madinika sy ny kamboty;

omeo rariny ny ory sy ny mahantra,

4vonjeo ny madinika sy ny mahantra,

sariho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy.

5Tsy manam-pahalalana na mahazo an-tsaina ireny;

ao amin’ny maizina no andehanany;

mihorohoro ny fanambanin’ny tany rehetra.

6Hoy aho: Ianareo andriamanitra

ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra.

7Kanjo ho faty tahaka ny olombelona ihany ianareo

ary samy ho lavo tahaka ny mpitondra rehetra.

8Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany!

Fa fanananao ny firenena rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help