Habakoka 1 - Malagasy Bible Revision Version

1Faminaniana ny loza hanjo, araka izay ahitan’i Habakoka mpaminany.

Fitarainana voalohany ataon’ny mpaminany amin’Andriamanitra

2Mandra-pahoviana, RY TOMPO,

no hitarainako,

ka tsy hohenoinao?

Mandra-pahoviana no hitarainako hoe: Loza!

Nefa tsy vonjenao ihany?

3Nahoana no ataonao mahita haratsiam-panahy aho

ary mahajery fampahoriana Ianao?

Fa herisetra sy loza no eo anatrehako,

misy ady

sady misy ny fifandirana.

4Noho izany dia tsy manan-kery intsony ny lalàna

ary tsy mivoaka mihitsy ny rariny;

fa tsy mahatohitra ny ratsy fanahy ny marina

ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra.

Ny valintenin’Andriamanitra: Ny fanafihan’ny Kaldeana

5Jereo any amin’ny Jentilisa* ka diniho,

ary aoka ianareo ho gaga

fa manao zavatra amin’ny andronareo Aho,

izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.

6Fa indro, atsangako ny Kaldeana,

ilay firenena lozabe sady mirehidrehitra,

izay mitety ny tany rehetra

mba hahazoany fonenana

izay tsy azy akory.

7Mahatsiravina sy mahatahotra izy;

avy amin’ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.

8Haingam-pandeha noho ny leoparda ny soavaliny

sady masiaka noho ny amboadia amin’ny hariva.

Mampiriotra ny kalesy fitondra miady ny mpitaingin-tsoavaliny;

eny, avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny;

manidina toy ny voromahery

maika hihinana izy.

9Hampidi-doza no iavian’izy rehetra,

ny handroso ihany no imatimatesany

ka manangona babo toy ny fasika izy.

10Manakora ny mpanjaka izy

ary ihomehezany ny mpanapaka eo aminy.

Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany

ka manandratra tovon-tany izy

ary mahafaka izany.

11Dia mihelina toy ny rivotra izy

ary mandroso ka mahazo heloka,

izany heriny izany no andriamaniny.

Fitarainana faharoa ataon’ny mpaminany amin’Andriamanitra

12Moa tsy hatrizay hatrizay va Ianao,

RY TOMPO Iray Masina Andriamanitro?

Tsy ho faty Ianao!

TOMPO ô, ho amin’ny fitsarana no nanendrenao ireny;

ry Vatolampy ô, ho fananarana no nanangananao azy.

13Ianao izay madio maso ka tsy ta hahita ny ratsy

ary tsy mahazaka mijery fampahoriana,

nahoana Ianao no mijery ny mpamitaka?

Nahoana no mangina Ianao raha mandrapaka ny marina noho izy ny ratsy fanahy?

14Mitondra ny olona toy ny hazandrano any an-dranomasina

sy toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy manam-panapaka Ianao.

15Aingainy amin’ny fintana izy rehetra,

samboriny amin’ny haratony

ary sarihiny amin’ny harato tarihiny

ka faly sy ravoravo izy.

16Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ny haratony

sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ny harato tarihiny,

fa ireo no ahazoany anjara matavy

sy hanina matsiro.

17Koa noho izany, moa va hanaisotra ny ao amin’ny tandrohony izy

ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help