Salamo 9 - Malagasy Bible Revision Version

Mpamonjy ny mahantra sy izay ampahorina NY TOMPOHo an’ny mpiventy hira Almot-laben. Salamo nataon’i Davida.alef א

1Hidera NY TOMPO amin’ny foko manontolo aho;

hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho.

2Ho faly sy ho ravoravo Aminao aho;

hankalaza ny anaranao aho, ry Avo Indrindra!

bet ב

3Rehefa lasa nihemotra ny fahavaloko

dia nirepirepy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.

4Fa nitsara ahy Ianao ka nanome ahy ny rariny;

mipetraka eo amin’ny sezafiandriananao Ianao ary mitsara marina.

gimel ג

5Nanarinao mafy ny Jentilisa*. Naringanao ny ratsy fanahy,

nokosehinao ho faty mandrakizay doria ny anarany.

6Levona ny fahavalo! Mandrakizay ny faharavany!

Ary izay tanàna noravanao

dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.

he ה

7Kanefa NY TOMPO mitoetra mandrakizay.

Nampiorina ny sezafiandrianany ho amin’ny fitsarana Izy.

8Hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy;

eny, hitsara ny firenena amin’ny fahitsiana Izy.

vav ו

9Koa aoka NY TOMPO no ho fiarovana avo ho an’ny voan’ny tsindry hazo lena,

ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana!

10Aoka hatoky Anao izay mahalala ny anaranao,

fa tsy mba afoinao izay mitady Anao, TOMPO ô!

zaìn ז

11Mihirà ho an’NY TOMPO izay mitoetra any Ziona*,

ambarao any amin’ny firenena ny asany.

12Fa manadina ny ra latsaka Izy ka mahatsiaro ny ampahorina;

tsy manadino ny fitarainany Izy.

het ה

13Mamindrà fo amiko, TOMPO ô,

jereo ny fahoriako nataon’izay mankahala ahy,

Ianao izay manandratra ahy ho afaka amin’ny vavahadin’ny fahafatesana,

14mba hilazako eo am-bavahadin’i Ziona zanakavavy,

ny fiderana Anao rehetra

ary hifaliako amin’ny famonjenao.

tet ט

15Latsaka tamin’ny lavaka izay nohadiny ny Jentilisa;

ny fandrika harato izay nafeniny ihany no nahazo ny tongony.

16NY TOMPO manao izay hahafantarana Azy ho Mpitsara;

namandrika ny ratsy fanahy tamin’ny asan’ny tanany Izy. Feon-javamaneno. Fiatoana

iod י

17Hiverina ho any amin’ny fitoeran’ny maty* ny ratsy fanahy,

dia ny Jentilisa rehetra izay manadino an’Andriamanitra.

kaf כ

18Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny mahantra

ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ny mpandefitra.

19Mitsangàna, TOMPO ô! Aoka tsy hahery ny olona!

Aoka hotsaraina eo anatrehanao ny Jentilisa!

20Ataovy eo aminy ny horohoro, TOMPO ô!

Aoka ho fantatry ny Jentilisa fa olona ihany izy! Fiatoana

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help