Amosa 5 - Malagasy Bible Revision Version

Hira fisaonana an’Israely

1Henoinareo izao teny izao, dia hira fisaonana izay entiko milaza anareo, ry taranak’Israely!

2Lavo tsy hitsangana intsony

Israely virijiny;

nazera tamin’ny taniny izy

ka tsy misy manangana azy.

3Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

Izay tanàna nandefa arivo lahy

dia indreo, zato monja no sisa;

ary izay namoaka zato lahy

dia indreo, folo monja no sisa

ho an’ny taranak’Israely.

Mitadiava NY TOMPO dia ho velona ianareo

4Fa izao no lazain’NY TOMPO amin’ny taranak’Israely:

Tadiavo Aho dia ho velona ianareo!

5Aza mitady any Betela

na mankany Gilgala,

ary aza mandroso ho any Bery-Sheba.

Fa ho babo tokoa i Gilgala

ary i Betela dia ho foana tanteraka.

6Tadiavo NY TOMPO dia ho velona ianareo!

Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona

amin’ny taranak’i Josefa Izy

ary tsy hisy izay hahafaty ny afo ao Betela;

7dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty

ary mampirefarefa ny fahamarinana amin’ny tany!

8Ilay nanao an’Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy

ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina

sy manamaizina ny andro ho alina,

dia Ilay miantso ny rano any an-dranomasina

ka mandraraka azy amin’ny tany,

NY TOMPO no anarany,

9dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery

ka mihatra amin’ny tanàna mimanda ny fandravana.

10Halan’izy ireo izay mananatra eo am-bavahady

ary ataony ho zava-maharikoriko izay miteny ny marina.

11Koa satria nanitsakitsaka ny mahantra ianareo

ary nampandoa vary azy,

dia nanangana trano vato voapaika ihany koa ianareo

nefa tsy hitoetra ao aminy;

namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ianareo

nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

12Fa fantatro fa be ny helokareo ary miavosa ny fahotanareo:

Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo

ary manilika ny mahantra tsy ho eo amin’ny fitsarana.

13Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’izao andro izao,

fa andro fahoriana izao.

14Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy

mba ho velona ianareo;

dia homba anareo NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao,

araka izay lazainareo.

15Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara,

aoreno eo amin’ny fitsarana ny rariny;

angamba NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hamindra fo

amin’izay sisa amin’i Josefa.

16Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao:

Eny an-kianja rehetra eny dia hisy fisaonana;

ary eny an-dalambe rehetra eny dia hisy hilaza hoe: Indrisy! Indrisy!

Hiantso ny mpamboly hitomany izy

ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao izany.

17Any amin’ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana

fa handeha hamakivaky eo afovoanareo Aho,

hoy NY TOMPO.

Ny Andron’NY TOMPO

18Lozan’izay maniry ny Andron’NY TOMPO!

Hataonareo inona moa ny Andron’NY TOMPO?

Ho haizina izany fa tsy ho fahazavana.

19Tahaka ny olona mandositra ny liona

ka sendra ny bera;

rehefa tafiditra ao an-trano izy ka mitehin-tanana amin’ny rindrina

dia kaikerin’ny menarana.

20Moa tsy haizina va ny Andron’NY TOMPO fa tsy fahazavana?

Moa tsy haizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?

Fanompoam-pivavahana tsy zakan’NY TOMPO

21Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo

ary tsy tiako ho re intsony ny fofon’ny fivoriana masina ataonareo.

22Na dia anoloranareo fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza Aho

dia tsy sitrako izany;

ny zanak’omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana

dia tsy hojereko akory.

23Halaviro Amiko ny finaonaonan’ny hiranareo!

Tsy hihaino ny fanenon’ny lokanganareo Aho,

24fa aoka kosa ny fitsarana hikoriana toy ny rano

ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.

25Moa efa nanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra alatsa-dra ho Ahy va ianareo

fony tany an-tany efitra efapolo taona, ry taranak’Israely?

26Ento any i Sikota mpanjakanareo

sy i Kiona sampinareo

dia ny kintan’ny andriamanitrareo

izay nataonareo ho anareo!

27Hoentiko ho babo any ankoatra an’i Damaskosy ianareo,

hoy NY TOMPO. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help