Zakaria 3 - Malagasy Bible Revision Version

Fahitana fahefatra: I Josoa mpisoronabe

1Ary nasehony ahy fa indro, i Josoa mpisoronabe dia nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’NY TOMPO*, ary i Satana* nitsangana teo ankavanany hiampanga azy.

2Ary hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Hananatra anao anie NY TOMPO, ry Satana! Eny, NY TOMPO izay nifidy an’i Jerosalema anie hananatra anao! Tsy forohana nosarihana tamin’ny afo va ity?

3Ary i Josoa dia nijoro teo anoloan’ilay Anjely tamin’ny fitafiana maloto.

4Dia niteny tamin’ireo izay nitsangana teo anoloany NY TOMPO hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto! Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.

5Ary hoy aho: Aoka hasiana fehiloha madio eo an-dohany! Dia nasiany fehiloha madio teo an-dohany sady nampitafiany izy. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo.

6Ary ilay Anjelin’NY TOMPO dia nanao izao fanambaràna izao tamin’i Josoa hoe:

7Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Raha mizotra amin’ny lalako ianao

ary mitandrina ny didiko

dia ianao no hanam-pahefana amin’ny tranoko

sy hitandrina ny kianjako

sady homeko lalana malalaka

ho eo amin’ireo mijoro ireo ianao.

Mampiantso an’i Rantsana mpanompony NY TOMPO

8Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe,

dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao,

fa olona atao famantarana ireo:

Indro, entiko i Rantsana Mpanompoko.

9Fa indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’i Josoa:

Misy masony fito io vato tokana io.

Indro, Izaho no hanoratra izay tokony hosoratina eo,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

ary hesoriko amin’ny indray andro monja

ny helok’ity tany ity.

10Amin’izany andro izany,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

dia samy hiantso ny namanareo avy

ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy ianareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help