Salamo 71 - Malagasy Bible Revision Version

Aza manary ahy amin’ny andron’ny fahanterako

1Ianao, TOMPO ô, no itokiako;

aoka tsy ho menatra mandrakizay aho!

2Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho ka afaho!

Atongilano amiko ny sofinao ka vonjeo aho!

3Aoka ho vatolampy fonenana

hohatoniko mandrakariva Ianao

izay efa nandidy hamonjy ahy;

fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao!

4Ry Andriamanitro ô, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho,

dia amin’ny tanan’ny mpanao meloka sy mpanao herisetra!

5Fa Ianao no fanantenako, RY TOMPO Andriamanitra ô,

ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.

6Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka;

Ianao no namoaka ahy avy tany an-kibon’ny reniko;

Ianao no deraiko mandrakariva.

7Tonga toy ny zava-mahagaga eo imason’ny maro aho;

nefa Ianao no fialofana azo antoka ho ahy.

8Ny vavako dia ho feno ny fiderana Anao

sy ny fankalazana Anao mandrakariva.

9Aza manary ahy amin’ny andron’ny fahanterako;

aza mahafoy ahy raha mihaketraka ny heriko.

10Fa miresaka ahy ny fahavaloko

ary miara-mioko izay miambina hahazo ny aiko

11ka miteny hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy!

Enjeho izy ka sambory fa tsy misy hanafaka azy.

12Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy;

Ry Andriamanitro ô, faingàna hamonjy ahy.

13Aoka ho menatra sy ho levona

ny mpanohitra ny fanahiko;

aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka

izay mitady hanisy ratsy ahy.

14Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva

ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.

15Ny vavako dia hitory ny fahamarinanao

sy ny famonjenao mandrakariva,

fa tsy fantatro intsony ny isany.

16Ho avy amin’ny asa lehibe nataon’NY TOMPO Andriamanitra aho,

hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.

17Andriamanitra ô, Ianao no nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora,

ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagagana nataonao aho.

18Koa na dia efa antitra sy fotsy volo aza aho dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô,

mba hahazoako manambara ny herinao amin’izao taranaka izao

sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy;

19mihatra amin’izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô,

izay nanao zava-dehibe:

Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?

20Ianao izay nampahita anay fahoriana be sady mafy

no hamelona anay indray

ka hampiakatra anay indray hiala avy amin’ny toerana lalina amin’ny tany.

21Ampitomboy ny voninahitro

ary aoka hampionona ahy indray Ianao!

22Izaho kosa dia hidera Anao amin’ny valiha,

dia ny fahamarinanao, ry Andriamanitro ô,

hankalaza Anao amin’ny lokanga aho,

ry Iray Masin’ny Israely ô!

23Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao

ary ny fanahiko koa, izay navotanao.

24Ny lelako koa dia hitory ny fahamarinanao mandrakariva,

fa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help