Isaia 15 - Malagasy Bible Revision Version

Ny loza hanjo an’i Moaba

1Ny loza hanjo an’i Moaba.

Indray alina no nandravana azy!

Fongotra i Ara-Moaba.

Eny, indray alina no nandravana azy!

Fongotra i Kira-Moaba.

2Miakatra ho ao Baita sy ho ao Dibona ny olona,

ao amin’ny toerana fanaovana sorona, mba hitomany;

i Moaba dia midradradradra any amin’i Nebo sy i Medeba;

nokakasana ny loha rehetra;

voaharatra ny somotra rehetra.

3Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana ny olona;

eny an-tampon-tranony* sy eny an-kalalahana

dia midradradradra avokoa izy ireo sady mijoy ny ranomasony.

4Mitoreo i Hesbona sy i Elale

ka re hatrany Jahaza ny feony;

noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’i Moaba,

mihorohoro izy ireo.

5Mitoloko ny foko noho ny amin’i Moaba;

tonga hatrany Zoara sy Eglata-Selisia ny olona mandositra avy ao.

Fa miakatra am-pitomaniana ao amin’ny fiakarana Lohita izy,

sady midradradradra amim-pamoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima;

6fa ny ranon’i Nimrima dia tonga karankaina;

maina ny ahitra,

malazo ny zavamaniry

ka tsy misy zava-maitso intsony.

7Noho izany dia entiny ho any ampitan’ny lohasahan-driakan’ny hazomalahelo

ny harena be izay nohariny sy ny entany izay mbola voatahiriny.

8Fa manerana ny faritanin’i Moaba ny tolokony;

re hatrany Eglaima ny fidradradradrany;

eny, re hatrany Bera-Elima ny toreony.

9Feno ra ny ranon’i Dimona;

eny, mbola hampiako ny loza manjo an’i Dimona:

Hisy liona handrapaka izay afa-mandositra avy any Moaba,

sy handany izay sisa amin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help