1Ary mbola niteny ihany i Eliho hoe:
2Ataonao va fa marina ny nitenenanao hoe:
Marina noho Andriamanitra aho?
3Fa hoy ianao: Mampaninona anao moa izany?
Inona no soa azoko amin’ny tsy hanotako?
4Izaho no hiteny hamaly ny teninao
mbamin’ny an’ny namanao.
5Diniho ny lanitra ka jereo!
Tsinjovy ny haavon’ny rahona: Tsy takatrao izany!
6Raha manota ianao, moa mahefa inona Aminy izany?
Ary raha mihamaro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
7Raha marina ianao, hahazoany inona moa izany?
Ary inona no horaisiny avy amin’ny tananao?
8Amin’ny olona tahaka anao ihany no mihatra ny ratsy ataonao
ary amin’ny olombelona ihany no mihatra ny fahamarinanao.
9Noho ny haben’ny fampahoriana dia mitaraina ny olona;
eny, minananana izy noho ny hetraketraka ataon’ny maro;
10nefa tsy misy miteny hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, izay mahatonga hira fiderana amin’ny alina,
11izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany,
dia izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voromanidina?
12Eny, mitaraina mafy ireo nefa tsy mamaly Izy
noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy.
13Ny fitarainana tsy amin’antony dia tsy mba henoin’Andriamanitra
ary ny Tsitoha dia tsy mandinika izany.
14Na dia lazainao aza fa tsy mahita Azy ianao,
efa tonga eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao!
15Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany,
moa tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
16Miloa-bava foana anefa i Joba
ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.