Salamo 144 - Malagasy Bible Revision Version

Vavaka ataon’ny mpanjakaNataon’i Davida.

1Isaorana anie NY TOMPO Vatolampiko

izay mampianatra ny tanako hamely

sy ny rantsan-tanako hiady,

2izay Mpiantra sy manda fiarovana ho ahy

sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy

ary ampingako ka ao Aminy no ialofako,

izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy.

3TOMPO ô, inona moa ny olona no iahianao azy?

Ary ny zanak’olombelona no iheveranao azy?

4Ny olona dia tahaka ny zava-poana.

Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.

5TOMPO ô, aondreho ny lanitrao ka midìna;

tendreo ny tendrombohitra dia hidona-tsetroka ireny.

6Ampitselatselaro ny tselatra ka ampielezo ireo;

alefaso ny zana-tsipìkanao ka ampifanaritaho ireo.

7Atsory avy any ambony ny tananao;

afaho aho ka vonjeo amin’ny ranobe,

dia amin’ny tanan’ny hafa firenena

8izay miteny zava-poana amin’ny vavany

ary ny tanany havanana dia tanana havanana mamitaka.

9Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho;

amin’ny valiha tory folo no hankalazako Anao

10izay manome famonjena ho an’ireo mpanjaka

sady mamonjy an’i Davida mpanompony tsy ho voan’ny sabatra mandratra.

11Afaho aho ka vonjeo

amin’ny tanan’ny hafa firenena

izay miteny zava-poana amin’ny vavany

ary ny tanany havanana dia tanana havanana mamitaka.

12Mba ho tahaka ny zavamaniry maroroka

ny zanakay lahy

ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara

toy ny fomban’ny lapan’ny mpanjaka ny zanakay vavy.

13Ho feno ny trano fitahirizanay

ka hisy vokatra betsaka samihafa karazana;

hiteraka arivoarivo sy alinalina

ny ondrinay any an-tsahanay;

14hahazaka be ny ombinay

ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo,

sady tsy hisy fitarainana any an-kianjanay.

15Sambatra ny firenena izay tahaka izany;

eny, sambatra ny firenena izay manana NY TOMPO ho Andriamaniny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help