Salamo 110 - Malagasy Bible Revision Version

Mpanjaka sy mpisoronaSalamo nataon’i Davida.

1Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Tompoko:

Mipetraha eto ankavanako

ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2Havoakan’NY TOMPO avy ao Ziona* ny tehin’ny herinao;

aoka hanapaka eo anivon’ny fahavalonao Ianao.

3Ny olonao dia manolo-tena an-tsitrapo

amin’ny andro isehoan’ny herinao;

amin’ny fihaingoana masina,

tahaka ny ando ateraky ny maraina,

no manatona Anao ny zatovonao.

4Efa nianiana NY TOMPO ka tsy hanenina:

Ianao no Mpisorona mandrakizay

araka ny fomban’i Melkizedeka.

5Ny Tompo eo ankavananao

dia handripaka mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany.

6Hitsara any amin’ny Jentilisa* Izy ka hampiampatrampatra faty any;

handripaka mpitondra manerana ny tany Izy.

7Hisotro amin’ny ony any an-dalana Izy

ka izany no hitrakan’ny lohany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help