Genesisy INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version
INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyNy hoe Genesisy dia midika hoe Fiandohana, ary ity boky ity no milaza ny naharian’Andriamanitra izao rehetra izao, ary tsara no nanaovany ny zavatra rehetra. Nanota anefa ny olombelona ka izany no niandohan’ny fisarahany tamin’Andriamanitra sy ny fahoriana rehetra ary ny fahafatesana. Nitombo ny fahotana, kanefa koa Andriamanitra dia nanomboka nanomana sahady ny famonjena ho an’ny olombelona. Nanomboka nifidy olona izay hiavian’ny Mpamonjy Izy, dia ireo Patriarka na ireo razamben’ny Israely izany. Ny Boky dia mifarana amin’ny fijanonan’ny Zanak’Israely any Ejipta sy ny fahafatesan’i Jakoba. Mitohy ao amin’ny Boky Eksodosy izany tantara izany.Ny firafitry ny BokyNy tantaran’ny fiandohana: 1–11Ny nahariana an’izao rehetra izao: 1–2.3Ny nidiran’ny fahotana sy ny vokany: 3Ny nitomboan’ny fahotana sy ny nitomboan’ny taranak’olombelona: 4Ny taranak’olombelona, hatramin’i Adama ka hatramin’i Noa: 6–10Ilay tilikambo tao Babela: 11.1-9Ny firazanan’i Abrahama, hatramin’i Sema: 11.10-32Ireo Patriarka na ireo razamben’ny Israely: 12–50Abrahama: 12–25Isaka: 26–27Jakoba: 28–49Josefa: 37–50