Isaia 12 - Malagasy Bible Revision Version

Fiderana an’Andriamanitra Mpamonjy

1Ary hiteny ianao amin’izany andro izany hoe:

Hidera Anao aho TOMPO ô;

fa na dia tezitra tamiko aza Ianao

dia afaka ihany ny fahatezeranao

ka mampionona ahy Ianao.

2Indro, Andriamanitra no famonjena ahy;

hatoky aho fa tsy mba hatahotra.

Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko,

fa efa famonjena ahy Izy.

3Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano

amin’ny loharanom-pamonjena.

4Amin’izany andro izany dia hiteny ianareo hoe:

Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany,

ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany.

Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany!

5Mankalazà NY TOMPO,

fa asa lehibe no nataony.

Aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!

6Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona*!

Fa lehibe eo afovoanao ny Iray Masin’ny Israely!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help