Hebreo 8 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fanompoam-pivavahana tranainy

1Amin’izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia ilay mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra

2ka manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely* izay naorin’ny Tompo fa tsy nataon’olombelona.

3Fa ny Mpisoronabe rehetra dia tendrena hanolotra fanomezana sy fanatitra; ary amin’izany dia tsy maintsy mba manan-katolotra koa Izy.

4Koa raha etỳ ambonin’ny tany Izy dia tsy mba ho mpisorona akory satria efa misy rahateo ireo manolotra ny fanomezana araka ny lalàna,

5dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: «Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra» (Eks 25.40).

6Fa ankehitriny dia fanompoana ambony lavitra noho ny an’ireny ny Azy, dia araka ny nanaovana Azy ho mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra.

7Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany dia tsy mba nilaina hotadiavina ny fanekena faharoa.

8Fa manome tsiny ny olona Izy hoe:

«Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO,

izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Israely

sy ny taranak’i Joda,

9nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany

tamin’ny andro nitantanako azy

sy nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;

fa tsy nitoetra tamin’ny fanekeko izy ireny,

ary Izaho koa dia tsy nitandrina azy, hoy NY TOMPO.

10Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely,

rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO:

Hataoko ao an-tsainy ny lalànako

sady hosoratako ao am-pony,

ary Izaho ho Andriamaniny

ary ho oloko izy.

11Ary samy tsy hampianatra

ny namany sy ny rahalahiny avy izy ka hiteny hoe: Mahalalà NY TOMPO!

Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra

hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra;

12fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinany Aho

ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany» (Jer 31.31-34).

13Rehefa milaza izy hoe vaovao dia noheveriny fa efa ela ny fanekena voalohany. Fa izay tratra ela sy mihaantitra dia efa madiva ho levona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help