Isaia 62 - Malagasy Bible Revision Version

Nahita NY TOMPO izay vadiny indray i Jerosalema

1Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona*

ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema,

mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava,

ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.

2Hahita ny fahamarinanao ny firenena,

ary ny mpanjaka rehetra dia hahita ny voninahitrao;

homena anaram-baovao ianao,

izay hotononin’ny vavan’NY TOMPO.

3Dia ho tonga satroboninahitra tsara tarehy

eo an-tanan’NY TOMPO ianao

ary satroka mpanjaka

eo am-pelatanan’Andriamanitrao.

4Ianao dia tsy hatao intsony hoe Nafoy,

ary ny taninao dia tsy hatao intsony hoe Lao,

fa ianao dia hatao hoe Ilay ankasitrahako,

ary ny taninao dia hatao hoe Vady ampakarina,

satria ankasitrahan’NY TOMPO ianao,

ary hampakarina ho vady ny taninao.

5Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijiny ho vadiny

no hampakaran’ny zanakao lahy anao;

ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny ampakariny

no hifalian’Andriamanitrao aminao.

6Nanendry mpiambina

ho eny ambonin’ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô;

koa na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny.

Eny, ianareo izay mpampahatsiaro NY TOMPO,

aza mitsahatra!

7Ary aza mamela Azy hitsahatra

mandra-panaony an’i Jerosalema ho mafy orina

sy hoderaina amin’ny tany.

8NY TOMPO efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana,

dia tamin’ny sandriny mahery hoe:

Tsy homeko hohanin’ny fahavalonao intsony

ny varinao,

ary ny hafa firenena dia tsy hisotro ny ranom-boalobokao

izay efa nisasaranao;

9fa izay nijinja azy no hihinana azy

ka hidera NY TOMPO;

ary izay nioty azy no hisotro azy

ao amin’ny kianjako masina.

10Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady!

Amboary ny lalana halehan’ny olona!

Totofy tsara ny lalambe,

esory ny vato eny aminy!

Manangàna faneva ho tazan’ny firenena!

11Indro, efa nanambara

hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao NY TOMPO hoe:

Lazao amin’i Ziona zanakavavy:

Indro avy ny famonjena anao;

indro ny valim-pitia hatolony dia miaraka Aminy,

ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany.

12Ary ireny hotononina hoe: Firenena masina,

olona navotan’NY TOMPO;

ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina,

Tanàna tsy foy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help