Ohabolana 3 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fahendrena sy ny fahatahorana an’Andriamanitra

1Anaka, aza manadino ny fampianarako,

fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;

2fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana

ary ny fiadanana.

3Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana;

aoka iambozonanao izany,

ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin’ny vato fisaka,

4dia hahita fitia sy fahalalana tsara

eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianao.

5Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo;

aza miantehitra amin’ny fahalalanao;

6mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra,

fa Izy no handamina ny lalanao.

7Aza mihevi-tena ho hendry;

matahora NY TOMPO ka mifadia ny ratsy

8dia ho famelombelomana ny nofonao izany

sy ho fampangatsiatsiahana ny taolanao.

9Mankalazà NY TOMPO amin’ny fanananao

sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra,

10dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao,

ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka.

11Anaka, aza manamavo ny fitaizan’NY TOMPO,

ary aza tofoka amin’ny fanitsiana ataony;

12fa izay tian’NY TOMPO no anariny,

dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.

Sarobidy lavitra noho ny volamena ny fahendrena

13Sambatra izay olona mahita fahendrena

sy izay olona mahazo fahalalana!

14Aleo mikatsaka tombony avy aminy, toy izay mikatsaka tombony avy amin’ny volafotsy,

ary ny tombom-barotra avy aminy dia mihoatra noho ny volamena;

15sarobidy noho ny voahangy izy,

ary izay rehetra irinao dia tsy misy azo ampitahaina aminy.

16Fa andro maro no eo amin’ny tanany havanana,

ary harena sy voninahitra no eo amin’ny tanany havia.

17Lalana mahafinaritra ny lalany

ary fiadanana ny alehany rehetra.

18Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy

ary izay rehetra mihazona azy no atao hoe sambatra.

19Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany

ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.

20Ny fahalalany no noentiny nampiboiboika ny rano any amin’ny lalina

sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona.

Miaro ny hendry Andriamanitra

21Anaka, aoka tsy hiala amin’ny masonao izany;

raketo ny tena fahendrena sy ny fahaiza-mandinika,

22dia ho aina ho an’ny fanahinao izany

ary ho firavaky ny vozonao.

23Dia hizotra amin’ny lalanao amin-toky ianao

ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24Tsy hatahotra ianao raha mandry;

eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.

25Aza manahy ny fampitahorana avy tampoka,

na ny loza mandringana afitsoky ny ratsy fanahy raha avy izany;

26fa NY TOMPO no ho tokinao

ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.

Ny hendry manoloana ny namany

27Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy

raha azon’ny tananao atao ihany.

28Aza miteny amin’ny namanao hoe: Mandehana ka miverena,

fa rahampitso no homeko! Kanefa manana ihany ianao.

29Aza mamorona sain-dratsy hoenti-mamely ny namanao

raha mitoetra tsy manana ahiahy ao aminao izy.

30Aza miady amin’olona tsy amin’antony

raha tsy nanisy ratsy anao izy.

31Aza mialona ny mpanao herisetra

na mifidy izay lalany akory.

32Satria fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny mpivadika,

fa ireo marina kosa no ataony sakaiza;

33ao an-tranon’ny ratsy fanahy ny ozon’NY TOMPO,

fa tahiny kosa ny fonenan’ny marina;

34tsiratsirainy ny mpaniratsira,

fa omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra;

35handova voninahitra ny hendry,

fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala,

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help