Joba 20 - Malagasy Bible Revision Version

Ny teny fanindroany nataon’i Zofara: Tsy maharitra ny fandresen’ny ratsy fanahy

1Dia nandray fitenenana i Zofara namatita hoe:

2Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro;

eny, noho ny fihetsiketsehana ato anatiko.

3Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy

ary ny fanahiko dia mamaly ahy avy amin’ny fahalalako.

4Tsy fantatrao va fa hatry ny ela;

eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ny tany

5dia vetivety foana ny firavoravoan’ny ratsy fanahy

ary indray mipy maso monja ny fifalian’ny mpihatsaravelatsihy?

6Fa na dia mipaka amin’ny lanitra aza ny haavony

ka mitehika amin’ny rahona ny lohany

7dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy;

ary izay nahafantatra azy dia hilaza hoe: Aiza izy?

8Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita;

eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ny alina izy.

9Ny maso izay mijery dia indray mitopy ihany no ahitany azy

ary tsy hahita azy intsony ny fonenany.

10Ny zanany no hamerin-trosa amin’ny malahelo

ary ny tanany ihany no hampody ny harena nangoniny.

11Ny taolany dia feno ny herin’ny fahatanorana,

nefa hiara-mandry aminy ao amin’ny vovoka izany.

12Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy

ka afeniny ao ambanin’ny lelany,

13ary tsitsiny ka tsy foiny

fa tehiriziny ao amin’ny lanilaniny ihany,

14dia hiova ao an-kibony ny haniny,

ka aferon’ny menarana no ho ao anatiny.

15Harena no nateliny nefa haloany indray;

loaran’Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.

16Ny poizin’ny menarana no tsetsefiny;

hahafaty azy ny lelan’ny menarana.

17Tsy ho faly mahita renirano izy,

dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.

18Tsy azony atelina izay nikelezany aina fa tsy maintsy hampodiny;

na dia be aza ny hareny dia tsy ho araka izany ny hafaliany.

19Efa nampahory sy nahafoy ny reraka izy

ka naka trano an-keriny fa tsy mba nanangana.

20Tsy mahalala mionona ny kibony

ka tsy mamela na inona na inona tsy ho azony amin’izay notsiriritiny.

21Tsy misy tsy tratry ny fitiavany harena tafahoatra

ka tsy haharitra ny fiadanany.

22Ho poriporitra izy na dia mihoa-pampana aza ny fananany;

ny fahoriana no hamely azy amin’ny heriny rehetra.

23Halefan’Andriamanitra hameno ny kibony ny fahatezerany mirehitra;

eny, halatsany aminy toy ny ranonorana hatrany amin’ny tsinainy izany.

24Raha mandositra ny vy fiadiana izy

dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;

25tsoahany izany ka mivoaka avy amin’ny tenany;

eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ny atiny;

tamy manatona azy ny fahatahorana mafy.

26Ny haizim-pito rehetra no voatahiry ho an’ny rakitra soa sarobidiny;

afo tsy nisy nandrehitra no handoro azy

sady handevona izay sisa ao amin’ny tranolainy.

27Hambaran’ny lanitra ny helony

ary hitsangana hiampanga azy ny tany,

28ho voapaoka ny harena tafiditra ao an-tranony;

eny, ho levona izany amin’ny andron’ny fahatezeran’Andriamanitra.

29Izany no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra

sy lova voatendrin’Andriamanitra ho azy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help