1Andriamanitra anie hamindra fo amintsika sy hitahy antsika,
hampamirapiratra ny tavany amintsika anie Izy! Fiatoana.
2Mba ho fantatra etỳ ambonin’ny tany ny lalanao
ary any amin’ny firenena rehetra ny famonjenao!
3Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô;
eny, hidera Anao ny firenena rehetra!
4Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamihafa
satria mitsara marina ny firenena Ianao,
ny firenen-tsamihafa ambonin’ny tany dia tarihinao. Fiatoana.
5Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô;
eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
6Ny tany dia nahavokatra;
mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
7Mitahy antsika Andriamanitra
ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.