Zakaria 9 - Malagasy Bible Revision Version

FIZARANA FAHAROAFitsarana sy famonjena ho an’ireo firenena akaiky ny Israely

1Teny faminaniana.

Tonga any amin’ny faritanin’i Hadraka ny tenin’NY TOMPO

ary miato any Damaskosy izany.

Fa ny mason’NY TOMPO mandinika ny olombelona

mbamin’ny foko rehetra amin’ny Israely

2sy i Hamata koa, izay mifanolotra aminy,

i Tiro sy i Sidona koa, izay manana fahendrena be.

3I Tiro dia nanao manda mafy ho an’ny tenany

ka nanangona volafotsy ohatra ny vovoka

sy volamena tsara ohatra ny fotaka eny an-dalambe.

4Indro, hofoanan’ny Tompo ny fananany

sady harodany any an-dranomasina ny mandany

ary ho levon’ny afo izy.

5I Askelona dia hahita izany ka ho raiki-tahotra,

i Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra,

ary i Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany;

tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza

ary i Askelona tsy honenana.

6Zazasary no honina ao Asdoda

ary hopotehiko ny reharehan’ny Filistina.

7Hesoriko eny am-bavany ny rany

ary tsy ho eny anelanelan’ny nifiny ny fahavetavetany;

ary izy koa dia ho sisa ho an’Andriamanitsika

sy ho toy ny lohany amin’i Joda,

ary i Ekrona dia ho toy ny Jebosita.

8Manangana toby hiaro ny tranoko Aho

noho ny miaramila betsaka,

dia izay mandroso sy miverina;

mba tsy hisy mpampahory handeha hamakivaky eo aminy intsony;

fa ankehitriny dia ny masoko no miambina azy.

Ilay mpanjaka hitondra fiadanana

9Mifalia indrindra, ry Ziona* zanakavavy!

Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy;

Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao.

Marina Izy sady mpandresy,

manetry tena sady mitaingina boriky,

boriky tanora, zanaky ny borikivavy.

10Hofoanako tsy hisy kalesy fitondra miady intsony any Efraima,

na soavaly any Jerosalema;

hotapahiko koa ny tsipìka fiadiana.

Hanambara fiadanana amin’ny Jentilisa* Izy;

ny fanapahany dia ho hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray

ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny faran’ny tany.

Ny fanafahana ny mpifatotra

11Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao

no efa namoahako ny mpifatotra ao aminao avy tao an-davaka tsy misy rano.

12Miverena ho amin’ny fiarovana mafy,

ianareo mpifatotra manana ny fanantenana!

Anio koa no hanambarako hoe:

Hanonitra avo roa heny ho anao Aho.

13Fa nohenjaniko ny tsipìkako, dia i Joda,

ary i Efraima no nataoko zana-tsipìka;

ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona*,

hiady amin’ny zanakao, ry Gresy!

Hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.

14Ary NY TOMPO hiseho eo amboniny

ka handeha toy ny tselatra ny zana-tsipìkany;

NY TOMPO Andriamanitra hitsoka anjomara

ka handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.

15Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hiaro ireny;

dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’antsamotady;

ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ny divay

ary ho feno tahaka ny lovia famafazana ireny,

tahaka ny zoron’ny alitara.

16Amin’izany andro izany NY TOMPO Andriamaniny

dia hamonjy ny olony toy ny famonjy andian’ondry;

fa ireny no vato eo amin’ny satroboninahitra,

mamirapiratra eny amin’ny taniny.

17Akory ny hasoany! Ary akory ny hatsaran-tarehiny!

Vary no hampaharoroka ny zatovo,

ary ranom-boaloboka kosa no hampaharoroka ny zazavavy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help