1Mpanjaka INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version
INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyNy Boky dia tohin’ny 1, 2Samoela ary anatin’ireo atao hoe ny Mpaminany taloha. Manomboka amin’ny tantaran’ny fahanteran’i Davida sy ny nandraisan’i Solomona ny fanjakana izany. Ny zava-dehibe nataon’i Solomona dia ny nanangana ny tempoly sy ny lapan’ny mpanjaka. Nampalahelo anefa fa nivily niala tamin’Andriamanitra ny fony ka navelan’Andriamanitra hivaky roa ny fanjakany: Ireo foko tany Avaratra dia tsy nety hofehezin’ny taranak’i Davida fa nanangana mpanjaka ho azy, koa noho izany dia nanjary roa samihafa ny fanjakana, dia ny Avaratra na Israely, ary ny Atsimo na Joda. Naharitra roanjato taona ny fisian’izany fanjakana roa izany, koa indraindray izy ireo dia nihavana, indraindray nifandrafy.Nisy mpaminany maro nananatra ireo mpanjaka, ary isan’izany i Elia.Ny firafitry ny BokyNy nifaranan’ny fiainan’i Davida sy ny nandraisan’i Solomona ny fanjakana: 1–2.12Ny fanjakan’i Solomona: Ny nampiorenany azy, ny voninahiny ary ny fahotan’i Solomona: 2.13–11.43Ny fivakisan’ny fanjakana ho roa: 12.1–14.20Ny tantaran’ny fanjakana roa: 14.21–22.54