1Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2Ry zanak’olona*, inona no ihoaran’ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan’ny hazo any an’ala?
3Moa mba azo hakana hazo hatao zavatra akory va izy, na mba hakana hanaovana tsatòka fanantonan-javatra?
4Indro, hatsipy any anaty afo izy ka hataina; ho levon’ny afo ny tendrony roa ary ho may ny tenatenany. Koa moa azo anaovan-javatra akory va izy?
5Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza dia tsy azo nanaovan-javatra, koa mainka fa rehefa levon’ny afo ka may izy?
6Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Toy ny tahom-boaloboka amin’ny hazo any an’ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.
7Hanandrina azy ny tavako. Tafavoaka tamin’ny afo izy nefa ho levon’ny afo hafa indray; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO rehefa manandrina azy ny tavako.
8Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.