1ARY hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tànana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.
2Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
3Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
4Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita mendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
5Ary ny anankiray tamin’ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.
6Ary hitako fa, indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny zava-manan-aina efatra ary teo afovoan’ny loholona dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina hankany amin’ny tany rehetra.
7Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tànana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.
8Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan’ny Zanak’ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon’ny olona masina izany.
9Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe:
Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny;
Fa voavono Hianao,
Ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra
Olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny
Sy ny olona ary ny firenena rehetra;
10Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo;
Ary manjaka ambonin’ny tany izy.
11Ary nahita aho sady nandre feon’anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan-aina ary ny loholona, ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo,
12nanao tamin’ny feo mahery hoe:
Ny Zanak’ondry, Izay novonoina,
Dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena
Sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
13Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe:
Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana
Sy ho an’ny Zanak’ondry anie
Ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana
Mandrakizay mandrakizay.
14Ary ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.