Isaia 63 - Malagasy Protestant Bible

Ny hamaliana an’i Edoma sy ny jentilisa sasany koa.

1IZA moa Ity avy any Edoma,

Dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany,

Dia Ity Izay mareva-pitafiana

Sy miandranandrana amin’ny haben’ny heriny?

Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.

2Nahoana no mena ny fitafianao,

Ary ny akanjonao no tahaka ny an’izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?

3Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho;

Fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza;

Nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho

Sy nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako,

Dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako,

Ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

4Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako,

Ary tonga ny taonan’ny voàvotro.

5Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy,

Ary talanjona Aho, satria tsy nisy hanohana,–

Ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy,

Ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.

6Nanitsaka firenena tamin’ny fahatezerako Aho

Sady nampahaleony azy tamin’ny fahavinirako

Ary nandatsaka ny rany tamin’ny tany.

Fivavahana sy fiaiken-keloka ary fiderana noho ny famonjen’Andriamanitra hatramin’ny taloha.

7NY famindrampon’i Jehovah no hambarako,

Dia ny fiderana an’i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika

Sy ny haben’ny fahasoavana tamin’ny taranak’Isiraely.

Izay nomeny azy araka ny fiantrany

Sy araka ny haben’ny famindrampony.

8Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo,

Dia zanaka tsy mba handainga;

Ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.

9Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy,

Ary Ilay Anjelin’ny tavany no namonjy ireo;

Ny fitiavany sy ny famindrampony no nanavotany azy

Sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ny andro taloha ela rehetra.

10Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny;

Dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.

11Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin’i Mosesy.

Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin’ny ranomasina?

Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,

12Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’i Mosesy

Ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany,

Mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,

13Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina,

Tahaka ny fandehan’ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?

14Tahaka ny fidinan’ny biby fiompy ho any an-dohasaha

No nanomezan’ny Fanahin’i Jehovah fitsaharana ho azy:

Tahaka izany no nitondranao ny olonao,

Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.

15Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin’ny fonenan’ny fahamasinanao sy ny voninahitrao;

Aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe?

Ny fandevilevin’ny kibonao sy ny famindramponao

Dia voasakana tsy ho amiko.

16Kanefa Hianao no Rainay,

Fa Abrahama tsy mahalala anay,

Ary Isiraely tsy mahafantatra anay,

Jehovah ô, Hianao no Rainay,

Ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatraizay.

17Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin’ny làlanao Hianao ka nampaniasia anay

Sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao?

Miverena noho ny amin’ny mpanomponao,

Dia ny firenena lovanao.

18Vetivety foana no nananan’ny olonao masina ny tany;

Ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masina.

19Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay

Sady tsy mba nantsoina tamin’ny anaranao akory.

Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao,

Ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra–

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help