Ohabolana 29 - Malagasy Protestant Bible

1Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka

Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.

2Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka;

Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.

3Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy;

Fa izay misakaiza amin’ny vehivavy janga dia mandany harena.

4Ny rariny no ampandrian’ny mpanjaka ny tany;

Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.

5Izay olona mandrobo ny namany

Dia mamela-pandrika ny tongony.

6Misy fandrika amin’ny heloky ny olon-dratsy;

Fa ny marina mihoby sy mifaly.

7Ny marina mihevitra ny adin’ny malahelo;

Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.

8Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna;

Fa ny hendry mampionona fahatezerana.

9Raha iadian’ny hendry ny adala,

Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsi hisy fitsaharana.

10Ny olona mpandatsa-dra mankahala ny tsy misy tsiny;

Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.

11Ny fahatezeran’ny adala dia avoakany avokoa;

Fa ny hendry kosa manindry fo.

12Raha mihaino lainga ny mpanapaka,

Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.

13Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory;

Jehovah no manazava ny mason’izy roa tonta.

14Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo,

Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.

15Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena;

Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.

16Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota;

Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.

17Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy

Sy ho fifalian’ny fanahinao.

18Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona;

Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.

19Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo;

Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.

20Hitanao va ny olona faingam-bava?

Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.

21Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely

Dia hihambo ho zanaka any am-parany.

22Ny olona mora tezitra manetsika ady;

Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.

23Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy;

Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.

24Izay miray tetika amin’ny mpangalatra dia manary tena;

Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.

25Mamandrika ny tahotra olona;

Fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.

26Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka;

Fa avy amin’i Jehovah ny fitsarana ny olona.

27Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ny marina;

Ary ny mahitsy làlana dia mba fahavetavetana eo imason’ny ratsy fanahy kosa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help